izay nanaovana fampanantenana tamin’ny taona 2018 fa hamokatra 400MW anatin’ny 5 taona ny fitondrana vao vantany tonga eo, kinanjo poakaty. Omaly, namoaka ny Fanjakana fa nitsidika ny Foiben’ny Orinasa TBEA (Tebian Electric Apparatus), orinasa sinoa fantan-daza amin’ny tongolon’ny herinaratra ny Filoha Rajoelina. Ity orinasa ity izay sangany amin’ny famokarana herinaratra avy amin’ny rivotra, ranomasina, rano,… ary hita amin’ny firenena 70 maneran-tany toa ny any Inde, Amerika, ary aty Afrika. Nolazana fa mahatratra 7800MW ny angovo azo tratrahana eto izay hiantsoana ny fanampian’ny mpampiasa vola sinoa. Hisy ny tetikasa antsoina hoe : « Medium Ring Tana » izay nambara fa hisy famatsiam-bola 177 tapitrisa dolara, ka nilazana fa hitondra vahaolana maharitra, hanatsara ny tambajotra fitaterana herinaratra amin’ny RIA na Tampanjotra iraisan’Antananarivo io. Nambara fa hamaha mivantana ny olam-bahoaka, hihatsara sy hiha matanjaka ny fitaterana ny herinaratra raha tsy nisy nijery tao anatin’ny 60 taona. Hanamafy sy haha maoderina ny tambajotra fitaterana herinaratra hanome fahafaham-po ny mpanjifa. Nolazain’i Andry Rajoelina tao anatin’io fa 30% eo ny fahaverezan’ny herinaratra izay miteraka fatiantoka goavana be. 600MW eo no nambara fa famokarana eto Madagasikara, ka mandeha amin’ny solika ny ankamaroany. 250 tapitrisa dolara isan-taona ny vola aompan’ny Fanjakana amin’izany, izay hoe : 1 miliara dolara isaky ny 4 taona. Izay no antony mahatonga an’i Madagasikara miroso amin’ny tetikasa hanavaozana ny tontolon’ny angovo. Ny Agence chinoise de coopération Internationale no nambara fa mamatsy io vola io, ary nolazaina fa efa mandeha ny dingana famoaham-bola avy amin’ny Exim Bank Chine. Tetikasa ao anatin’ny 2 taona moa ity lazaina fa iaraha-miasa amin’ny sinoa ity, ka dia andrasana indray izany ny fahatanterahany. Resaka fanatsarana ny tambajotra no mibahan-toerana kokoa eto ka asa hanao ahoana ny fampitomboana ny famokarana ? Tsy vao sambany no nisiana fifanaovan-tsoniam-pifanarahana tahaka itony fa ny fivadihany ho tena sa aloha no mbola baraingo hatreto hoe : hanao ahoana ? Orinasa tsy miankina miezaka mitrandraka tsenan’asa sy mitady tombotsoa ihany koa no resahana eto ka asa hanao ahoana ny ho fahatanterahany sy fahombiazany ? Inona ny tambin’ny 177 tapitrisa dolara avy amin’ny sinoa ? Raha naompana tamin’ny resaka famokarana herinaratra ve ny 151 tapitrisa dolara trosa nanaovana ny teleferika sy ny 77 tapitrisa dolara nanaovana ny kianja Barea tsy mba efa mba nivaha tamin’ny ampahany ny olan’ny delestazy ?
Toky R
Ny valan-javaboarin’i Tsimbazaza dia tsy toeram-pialan-tsasatra tsotra,
Toe-javatra mety mitranga ny tsy fitovian- kevitra eo amin’ny ray sy ny reny momba ny fitaizana ny zaza,
800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo izay isan’ny tena
800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo izay isan’ny tena
Nifarana ny kilalao tamina fahitalavitra tsy miankina iray, izay ana loholona iray eto Madagasikara
Ny 47%-n’ireo ankizy latsaky ny 18 taona eto amintsika no efa miditra eo amin’ny sehatry ny asa.