airtel

Actualités

03-juin-2022

Actualités

Tezitra ny sendikan’ny mpiraki-draharaha “Tadiavin’ny mpitsara sasany atao mpiasa an-trano izahay”

Sample post image

Misy ny olana eo amin’ny mpitsara sy ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana sy raha ny resaka nataon’ny filohan’ny sendikan’ireto farany omaly.

03-juin-2022

Ahoana kosa moa no hanekenay hoe rehefa tafiditra ao amin’ny biraony ilay mpitsara no maniraka ny mpiraki-draharaha hoe andana alaivo ny poketrako fa adino ao anaty fiara, hoy Atoa Randriamaro Alain Michel filohan’ny sendika.Tena misy ny mpitsara mihevitra fa mpiasa an-tranony ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana, tsy azo ekkena izany hoy izy satria samy manana ny hasiny ireo asa roa ireo ao amin’ny fitsarana, mitovy ny diplaoma sy ny toerana nianarana ary samy manana ny fitsipika mifehy azy ihany koa fa tsy hoe ny iray no mifehy ny iray.Nampatsiahy ny filohan’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha fa tsy misy manankery ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpitsara raha tsy misy ny sonian’ny mpiraki-draharaha.Fa ankoatr’izay , mbola mampitaraina azy ireo ihany koa ny famindrana toerana tsy amin’ny rariny, fa rehefa misy mpiraki-draharaha mety mahasosososotra ny mpitsara iray avy hatrany dia mandeha ny famindran-toerana, tsy mety ary tsy azo ekena izany , hoy ireto mpiraki-draharahan’ny fitsarana ireto izay manao antso avo ny amin’ny handaminana sy hikaroham-bahaolana momba ity raharaha ity , fa raha izao olana izao no mitohy dia mety hiroso amin’ny fitokonana izahay, hoy ry zareo.
Nangonin’i RTT

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap