airtel

Actualités

25-avril-2022

Actualités

Toaka Gasy Sakanana kanefa miparitaka hatrany

Sample post image

Azo lazaina ho mifamatotra amina fomba amam-panao maro ary mifamatotra amina kolontsaina ihany koa, mazava ho azy,

25-avril-2022

eto Madagasikara ny tsy maintsy fisiana toaka amina vanim-potoana miavaka na an-kafaliana io na an-karatsiana. Saika ahitana izany ny faritra, foko, firazanana maro. Azo ampiasaina amin'ny zavatra hafa mandra-paha ara-dalàna azy ny toaka gasy, hoy ny depiote voafidy tao Fenoarivo Atsinanana sady minisitry ny mponina teo aloha, Michelle Bavy Angelica. Mampalahelo ihany mahita ny zava-misy, hoy izy. Mijaly ny tantsaha vao mahavita an'iny. Marihina fa ny antenimierampirenena dia efa nandany ny tolo-dalàna faha 03-2019, ny 16 jona 2020, fa ny antenimierandoholona no nitsipaka izany, hoy hatrany ny tenany naneho hevitra manoloana ny fanariana sy fandorana ny toaka gasy hatramin’izao.
FAMPANARAHAN-DALANA SY FAMPANARAHAM-PENITRA Solombavambahoaka miisa 72, raha tsiahivina, no nandany tsy nasiam-panovana ny tolo-dalàna laharana faha 03/2019 mikasika ny famokarana sy fivarotana ny toaka gasy, natolotry ny Solombavambahoaka voafidy tao Ikongo, sady filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny faritanin’i Fianarantsoa, Razafitsiandraofa Jean Brunelle, ny talata 16 jona 2020 folakandro teny amin’ny CCI Ivato. Ho fampanarahan-dalàna sy fampanaraham-penitra ireo fepetra famokarana sy famarotana ny toaka gasy no antony ary hiheverana koa fa hanana anjara toerana eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy ho fanandratana ny « Vita malagasy » izany raha aravina ny fanehoan-kevitr’ireo nandany ity tolo-dalàna ity. Nitsipaka izany nefa moa ny 23 jona 2020 ny teo anivon’ny Antenimierandoholona ka dia io izy mbola voarara hatramin’izao io.
MALALAKA NY TOAKA VAHINY
Isan’ny tolokevitra nandalo tamin’ireny fotoana ireny koa, tohin’izay resaka fampanarahan-dalana sy fenitra izay hatrany ny hamerana tsy hiotra ny 40 degré ny fatran’alikaola ao anatin’izay toaka vita malagasy izay. Manoloana ny fandrarana, 2 taona aty aoriana dia mbola velona hatrany ny ady hevitra sy ny fitakiana izay fampanarahan-dalàna ny “toaka gasy” izay satria dia tsikaritra, hoy ny maro, fa malalaka eto Madagasikara ny fidiran’ny toaka vahiny.

EFA HATRANY AMIN’NY VANIM-POTOANA KOLONIALY
Raha iverenana kosa ny lafiny ara-tantara dia efa hatrany amin’ny vanim-potoana kolonialy na fanatanjahantany, hoy ny dikateny napetraky ny frantsay, no nanombohan’izay fandrarana famokarana toaka vita Malagasy izay. Anisan’ny toaka vita Malagasy malaza, ohatra, ny antsoina hoe Ambodivoara. Anaran-tanàna izy io, raha ny fanadihadiana natao. Ambodivoara dia tanàna iray ao anatin’ny disitrikan’i Marolambo, mifanila akaiky amin’ny distrikan’i Fandriana. Marolambo dia betsaka fary ary efa ela no namoaka toaka ka naha voatery ny fitondrana kolonialy hametraka fepetra manokana momba ny famokarana toaka tao amin’ity disitrika ity. Didim pitondrana izy io ary nivoaka ny 18 martsa 1903, izany hoe tao anatin’ny fotoana nitantanan’ny jeneraly Gallieni, ary toy izao manaraka izao no santionany; " Arrêté réglementant la fabrication de l alcool indigène dans le district de Marolambo Article 1- Les indigènes et les villages du district de Marlambo peuvent être autorisés par le chef de cette circonscription administrative sur leur demande, transmise par l'autorité indigène locale, à distiller l'alcool provenant de la fermentation de canne à sucre recoltés par eux ,à l'exclusion de celles provenant d'achat. Article 2- Toute addition de plantes, essences ou autres produits à l'alcool fabriqué est formellement défendue; la circulation et la vente de cet alcool sont également interdites tant à l'intérieur qu'en dehors du district. Article 3- Il sera imposé par l'appareil indigène de distillation une taxe de consommation annuelle de cent vingt francs..." Isan’ny fanontaniana manitikitika ny hoe vokatry ny famokarana toaka voatanika na «distillé» nataon’ilay frantsay, De Lastelle efa hatramin’ny andron-dRanavalona voalohany tamin’iny faritra iny ve no nahaizan’ny mponina tany nitanika toaka ary dia niparitaka eran’io izany fahaiza-manao izany ? Efa hatramin’ny tapany faharoa tamin’ny taonjato faha 19 ny toaka no voalaza ho niparitaka tamin’iny faritr'Amoron’i Mania iny. Famadihan-drazana, fahoriana, fanambadiana, famorana, rehefa mety ho fomba amam-panao aman-danonana dia saika ahitana toaka hatrany isam-paritra.
Nanangona sy Nandrindra: J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap