teny amin’ny seranam-piaramanisina Ivato, herinandro lasa izay. Ny polisy sy zandary ary ny mpiasan’ny ladoany no voatondro ho tompon’antoka amin’ny kolikoly, ka efa maro izy ireo no voalaza fa nahazo taratasy filazana famindra-toerana. « Tsy amin’alahelo fa am-pifaliana no nandraisanay izany, ary isaorana ianao satria na inona na inona ezaka ataonay ety dia tandondomin-doza izahay ka aleo misintaka », hoy ny setriny naparitaka nanomboka omaly. Mandeha ny fanamarihana fa ny kary no manao ny ataony dia ny saka no voatapa-drambo. Tonga hatrany amin’ny famoahana fa ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) no tena « patron » eny Ivato, ary ny olona tafiditra ao anatin’ny seranam-piaramanidina no afaka manao kolikoly fa tsy ny olona ivelany, «badge » omen’ny ACM no ahafahana miditra ny seranana. « Malahelo ihany izahay fa tsy voatonona mihitsy ny ACM izay tena fototry ny kolikoly. Vola, vola, vola no miresaka sy manjaka ety amin’ny seranam-piaramanidina fa tsy asa madio. Takona foana ny marina ary ny olona tsy mibizina indray no lazaina fa olona mitapy. Fanadihadiana hentitra atao dia ho hitanao fa maro amin’ireo tompon’andraikitra ambony no manao risoriso amin’ny fanomezana « badge permanent » miditra ety amin’ny seranam-piaramanidina. Manaova fanadihadiana haingana sy matotra ianareo fa ireo mpiasan’ny ACM marobe eto amin’ny « aéroport » no tompon’ny kolikoly ety. Sinoa, karana, afrikana ary olona tsy manana anton’asa no mameno ny seranana, ary manana « badge » daholo izy ireo », hoy hatrany ny ampamoaka. Misy tompon’andraikitra ambony miditra an-tsehatra mihitsy amin’ny fanaovana « change noire de devise » », hoy ny voalaza anatin’io ampamoaka io . Nisy hatramin’ny fanononana mpandraharaha matanjaka akaiky ny fitondrana ho mifehy sy manao ny mafana sy ny mangatsiaka eny Ivato. « Hevitray vitsivitsy ity ampitaina aminao manaraka ity Tompoko, Aviation Civile de Madagascar no resaka eto fa tsy « aviation militaire » na « aviation para-militaire ». Aleo hoentin’ny « civile » nianatra sy mahafehy izany ny « aviation civile » fa mampihomehy be ireto « militaires » sy « para-militaire » hianteheranareo ireto », hoy io hafatra io. Tsy mahamenatra anay no milaza izany satria fantatray ny tena asa iandraiketanay sy nomen’ny lalàna ho sahaninay. Fantatray ny zavatra nampianarina anay ! », hoy ny ampahany tamin’io hafatra io. Andrasana na izany aza ny mety ho setriny na fanazavana avy amin’ireo andaniny voatonona sy ny mety ho fanapahan-kevitra hafa ankoatra ireo efa noraisina.
Toky R
Tontosa omaly alakamisy 16 janoary 2025 teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fametrahana sy fianianana
Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fisian-drano eto amintsika. Antony hitadiavan’ireo mpanao
Hisy fivarotana amin'ny alalan'ny lavanty kojakoja elektrika avy amin'ny Jirama,
Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany hatramin’ny omaly hariva fotoana
Fahotana faratampony amin’Andriamanitra no sady miteraka ozona mahatsiravina ny Ray manam-bady ny zanany
Tovolahy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa hita faty tao anaty tano tao Ampitarihana,