airtel

Actualités

01-févr-2021

Actualités

Toeram-pambolen-kazo ao Ankazobe Nampiana ny hazo, 92% tamin’ny voavoly no naniry

Sample post image

Sady nikolokolo sy nanara-maso ny zanakazo 2020 no namboly zanakazo

01-févr-2021

 

 

 

vaovao ho an'ny taom-pambolen-kazo 2021. Tontosa ny asabotsy 30 janoary teo tao Ankazobe mantsy ny fambolen-kazo niarahan'ny orinasa MADAGASCO, ny ekipa teknika sy kabinetran'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ary ny Tale Jeneraly avy amin'ny ONE, SNGF, Madagascar National Parks ary OLEP. Natao tao amin'ny "Station Forestière Manankazo", izay iarahan'ny MADAGASCO sy MEDD mitantana ho fanohizana ny ezaka fanamaitsoana sy fampitomboana ny Velarana ala ao amin'izay toerana izany. Mankasitraka ny manam-pahefana ifotony nanotrona anay : ny Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao Ankazobe, ny Ben'ny Tananan'i Ankazobe, ny Sefo District, hoy ny MEDD. Anaovana ezaka manokana sy tena atao adidy iombonana ny fanaraha-maso sy fikolokoloana ny zanakazo izay nambolentsika taloha sy ireo izay hambolentsika amin'ity taom-pambolen-kazo 2021 ity, hoy ny tatitra. Noho izany, nidina ifotony tao amin'ny “site de reboisement présidentiel” tao Firarazana Ankazobe ny fianakaviamben'ny MEDD. Nokolokoloina ny zanakazo, nodiovina tsara ny manodidina azy ireny mba hitomboany tsara sy tsy ho tratran'ny afo. Dia nososohana ihany koa ireo hita fa tsy nitsiry. 92%-n'ny zanakazo dia naniry avokoa, noho ny fikarakarana sy fanaraha-maso nataon'ny fokonolona sy ny ekipan'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana ao ifotony, ny Cantonnement Ankazobe.

 Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap