airtel

Actualités

14-févr-2022

Actualités

Toetr’andro Hiditra an-tanety rahampitso ny rivodoza Dumako

Sample post image

Eo anelanelan’Antalaha sy ny nosy sainte Marie ny talata alina izao ny rivodoza Dumako.Raha ny omaly alahady dia tany ho any amin’ny 1083 km atsinanana somary avaratra atsinanan’Antalaha

14-févr-2022

no nisy ny foiben’ity andro ratsy ity izay efa voasokafy ho Depression Tropicale. 55 km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 70 km/ora. Mikisaka miakandrefana somary Atsimo Andrefana izy ka mahafaka 19 km/ora.. Hikisaka hanantona ny morontsiraka Avaratra na afovoany Atsinanana izy ka efa mihatra amin’ireo faritra sy distrika manaraka ireto ny loko maitso loza fanairana : DIANA, SAVA, ANALANJIROFO, TOAMASINA I-II, VOHIBINANY(Brickaville). Mila manaraka vaovao tsara ny mponina amin’ireo toerana voatonona ireo mba hahafatarana ara-potoana ny tokony hatao; efa azo antoka ny orana aloha na dia tsy mbola voafaritra mazava tsara aza ny sokajy misy an’ity rivodoza ity. Ny faritra avaratra atsinanan’ny nosy izany dia efaa mila miomana, faritra be rano sy hazo izany toerana izany , no maro trano falafa sy trano vita amin’ny hazo fotsiny .
ENCADRE
Amin’ity volana febroary ity dia mbola mitoetra ny fepetra hisiana fiforonana rivodoza ao amin’ny ranomasimbe Indiana. Mandritra ny tapa-bolana voalohany dia ahiana mafy ny hisian’ny rivodoza hahakasika an’i Madagasikara. Mandritra ny tapa-bolana faharoa kosa dia ambany ny fanahiana amin’ny hisian’ny rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara.
RTT

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap