airtel

Actualités

18-févr-2022

Actualités

Toetry ny andro Ahiana hahery vaika ny rivodoza Emnati

Sample post image

Nivadika ho rivodoza omaly maraina ilay andro ratsy tao amin’ny ranomasimbe Indiana ka nomena ny anarana hoe “EMNATI”. T

18-févr-2022

any amin’ny manodidina ny 1969 km atsinanan’i Sambava no nisy ny foibeny omaly tamin’ny 3ora tolakandro. Mahatratra 85 km/ora ny rivotra entiny, izay arahina tafiotra 120 km/ora. Mikisaka miakandrefana izy ka mahafaka 20 km/ora, izany hoe ao anatin’ny sokajy “Cyclone tropicale intense”. Miakandrefana na andrefana somary atsimo andrefana hatrany izy hatramin’ny alahady ka hanakaiky ireo Nosy rahavavy. Hitombo hery miandalana izy mandritra izay fotoana izay. Tsy mbola hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasaikara ny fisiany hatramin’ny faran’ny herinandro, saingy ahiana sahady ny hisian’ny fikorontanana eny an-dranomasina ho an’ny morontsiraka atsinanana, hoy ny Météo Madagascar omaly maraina. Hisy fiakarany kosa ny maripana ato anatin'ny telo andro ho avy, araka ny fampitam-baovao omaly tolakandro.
HITOVITOVY AMIN’NY LALAN’I BATSIRAI…
“Mitovitovy amin’ny làlan’i Batsirai ny mety ho làlany. Ireo faritra efa dibo-drano, dia efa narefon’i Batsirai sy Ana, ka orana fotsiny dia efa mety ho olana ben y fiantraikany satria tsy ho zakan’ireo faritra ireo intsony ka tsy maintsy hiomanana”, hoy kosa ny eo anivon’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC. Ny 21 na 22 febroary no mety ho tafiditra eto Madagasikara. Isan’izany i Mahanoro, Maroantsetra, Soanierana Ivongo, Alaotra Mangoro, Anosibe an’Ala, Analamanga,… Nomarihina fa mbola any anaty ranomasina aza izy efa “Cyclone Tropicale intense”, ka ahiana hiakatra ambonin’izay. Mbola maherin’ny 140 000 anefa ireo traboinan’i Batsirai.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap