airtel

Actualités

20-janv-2021

Actualités

Tofoka amin’ny kitoatoa Manomana hetsika ny mpiasan’ny ACM

Sample post image

Mikonokonona grevy ny mpiasa eo anivon’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar)

20-janv-2021

 

amin’izao fotoana izao. Variana miaro ny sezany sy ny tombotsoany ny Tale Jeneraly fa tsy mijery intsony ny ho avin'ny orinasa, hoy izy ireo. Potika tanteraka ny orinasa satria tsy misy mandeha amin'ny laoniny ny asa; voateny etsy sy eroa ny ACM; ny lafiny ara-tsosialy sy ara-ekonomikan'ny mpiasa tsy voahaja intsony (tsy misy azo mihitsy ireo tombotsoa rehetra voalaza ao amin'ny “convention collective”. Ny tale Jeneraly dia tsy manana fahalalana amin'ny lafin'ny teknika momba ny “aviation” sy ny fitantanana orinasa (ara-bola sy lalàna), hoy hatrany ny fanazavana. Noho ireo antony rehetra ireo dia mametraka fanontaniana ny mpiasa hoe ahoana ihany no mbola mijanona eo amin'ny toerany eo ihany ny Tale Jeneraly kanefa efa betsaka ny zavatra nahavoarohiroy azy eny amin'ny PAC? Hoy ireo mpiasa. Fehiny, tsy hijanona amin'ny hetsika izay ataony ny mpiasa raha tsy mivaha izao olana izao, hoy izy ireo. Ny teny amin’ny foibe teto teto Antananarivo omaly, voalaza fa  nirohatra nankao ao Tale Jeneraly nanontany hoe: fa tena ahoana ny fandehan-draharaha. Tsy mbola misy sy vaovao sy akony firy aloha ny momba an’io. Anio alarobia, hanamafy ny fitakiana ny mpiasan’ny ACM eny Ivato, raha ny loharanom-baovao. Ambony ambany izany ny ao amin’ny ACM, raha ny fitantaran'ny mpiasa. Ny tombotsoa efa tapaka, ilay orinasa voahoso-potaka, ny mpitantana be afera mbola eo amin’ny toerany ihany, ka izay no tena mahaketraka anay, hoy ireo mpiasa.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap