airtel

Actualités

12-juin-2025

Tolo-dalàna miaro varira

Nolanian’ny Antenimierampirenena omaly

Sample post image

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

12-juin-2025

taorian’ny fanitsiana natao hampifanaraka izany amin’ny Lalàmpanorenana, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Nambaran’ny solombavambahoaka fa zava-misy tsy azo lavina intsony ny fampijaliana sy herisetra mahazo ireo olona manana fahasamihafana ara-batana, indrindra fa ny varira, izay lasibatra amin’ny vono olona, herisetra ary hatramin’ny varotra olona. Izany indrindra no antony nananganana izao tolo-dalàna izao, hoy izy. Ankoatra izay dia notanterahina teny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ihany koa ny atrikasa manokana nifampizaràna tolo-kevitra hanavaozana sy hanatsarana ny lalàna mifehy ny herisetra ara-nofo sy ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy. Noresahina tao ny fampihenana ny tahan’ny herisetra ara-nofo, ny fandraisana an-tanana ireo niharam-boina ary ny fanamafisana ny sazy ho an’ny mpanao herisetra, raha ny fampitam-baovao voaray omaly hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-nov-2025

Tany amin’ny fakàna ny Airbus A 340

Card image cap
14-nov-2025

Tafakatra 3 ireo mpiasan’ny Jirama

Card image cap
14-nov-2025

Te hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny

Card image cap
14-nov-2025

Mihazakazaka ny raharaha 11 miliara nindramin’ny

Card image cap