airtel

Actualités

21-avril-2022

Actualités

Tolo-tanana ho an-dRambelo Hitohy hatramin’ny zoma ho avy izao

Sample post image

Mbola ao anatin’ny tsy fahasalamana tanteraka ny namana mpanao gazety Ony Rambelo. Raha araka ny fantatra dia mahatsiaro tena izy indraindray nefa tsy mahatsiaro tena tampoka ihany koa indraindray.

21-avril-2022

Miara-mizaka izany tsy fahasalaman’i Ony Rambelo izany amin’ny fianakaviany ny mpanao gazety namana rehetra ka taorian’ilay fanombohana ny fangatahana tolo-tanana ho an’ny azy omaly tetsy amin’ny trano fisakafoanana Au Bon Accueil Ambatonakanga dia hotohizana hatramin’ny Zoma ho avy izao izany. Betsaka tamin’ireo mpanao gazety mantsy no mbola tsy nahavita nanolotra izay azony natao omaly raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanan’ny tanora mpanao gazety eto Madagasikara na ny AJJM. Ezahin’ireo mbola tsy tonga omaly araka izany ny handalo eny an-toerana hatramin’ny Zoma ho avy izao hahafahana mividy fanafody sy ranom-boankazo ho an’i Ony Rambelo. Avy hatrany dia hatontona any amin’ireo fianakaviany moa izay vola voaangona rehetra na avy amin’ny namana mpanao gazety izany na avy amin’ny olon-tsotra. Marihina fa nisy ihany koa ireo olon-tsotra mahafantatra an’i Ony Rambelo omaly no tonga nanolotra izay vokatry ny fony tetsy amin’ny trano fisakafoanana Au bon accueil Ambatonakanga.
Pati
 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap