airtel

Actualités

31-janv-2022

Actualités

Tolo-tànan’ny ho an’ny traboina Vary 1 taonina sy voamaina 500 kg ny Arema

Sample post image

Tonga nanatitra ny fitia tsy mba hetra ho fanampiana ireo Malagasy izay traboina noho ny fikaran’ny rano teny amin’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNRGC ny Antoko Arema ny sabotsy 29

31-janv-2022

 janoary 2022 teo, tamin’ny alalan’ny Sekretera Nasionaliny Ramatoa Annick Ratsiraka sy ny mpikambana ao amin’ny comité directeur. Kolontsaina ao anatin’ny antoko ary kolotsaina Malagasy ny fitondrana izay voatsirambin’ny tanana tahaka izao, hoy Ramatoa sekretera nasionaly. Vary taonina iray sy vaomaina 500 kg no natolotry ny Arema nandritra izany. Tsy ho vitan’ny antoko, hoy izy ireo, ny hanatitra fanampiana isan-tokatrano fa ny BNGRC no omena andraikitra hitondra ireo fanampiana ireo any amin’izay tena mila azy. Maneho izany ny Arema, fa antoko mandray andraikitra araka izay tandrify azy, antoko velona sy miaina na efa tsy eo intsony aza ny Filoha mpanorina. Tsetsetsatsa tsy aritra no hilazana fa feno 84 taona katroka omaly 30 janoary Rtoa Céline Ratsiraka vady navelan’Itompokolahy Didier Ratsiraka, Filoha mpanorina ny Arema sady Filoham-pirenena teo aloha.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap