airtel

Actualités

23-nov-2021

Actualités

Tontolo iainana miha simba sy filàna Tokony ho ferana ny isan’ny zaza ateraka

Sample post image

Misy hifandraisany amin’ny hamaroan’ny olona eto amintsika ny fahasimban’ny tontolo iainana ankehitriny hoy dokotera Fidy Bariniaina,

23-nov-2021

antony miteraka izao hafanana migaingaina izao ka tsy mampilatsaka ny ranon’orana. Rehefa mihamaro mantsy ny olona hoy izy dia mitombo ihany koa ny filana amin’ny fanaka sy saribao hany ka mitombo hatrany ny fipakana ala…., antony mahalasa Nosy mena an’i Madagasikara. Manoloana izany dia manentana ny tsirairay mba hametra ny isan’ny zaza aterany ity dokotera iray ity. Anisan’ny vahaolana narosony ny amin’ny tokony hanaovana fanabeazana aizana ho an’ny vehivavy…. Tokony hisy ihany koa hoy izy ny fanentanana sy fampianarana mikasika ny tsy tokony handoroana intsony ny ala. Vahaolana lavitr’ezaka arosony kosa ny amin’ny tokony hanohizana hatrany ny fambolen-kazo ankoatra ny fanatevenana ny fampianarana amin’ny alalan’ireo kilonga madinika manovo fahalalana any an-tsekoly.
Legende: Misy ifandraisany ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny hamaroan’ny olombelona miaina, hoy ny Dr Fidy Bariniaina (Tahirin-tsary)
Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap