airtel

Actualités

25-mars-2021

Actualités

Top 100 Young African Conservation Leaders Misy tanora Malagasy 8 tafiditra ao anaty lisitra

Sample post image

Tanora Malagasy miisa 8 no tafiditra ao anatin’ireo “Top 100 Young African Conservation Leaders”,

25-mars-2021

 

 

izay fankasitrahana ho an’ny tanora mpitarika Afrikanina, izay misy akony sy fiantraikany maharitra amin’ny fiarovana sy fitandroana ny tontolo aty Afrika ny asa nataony. Avy amina firenena 37 aty Afrika no nifantenana, ka tafiditra ao anatin’izany izy 8 mianadahy. Ireto avy izy ireo: Faraherijaona Raharimamonjiarivelo avy amin’ny ECCA Youth Volonteering Club Ambohitrarahaba Mpitarika Fikambanana tanora kristianina antsoina hoe ECCA miantsehatra amin’ny fanabeazana, haitarika na Leadership, asa sosialy sy fanabeazana ara-tontolo iainana; Max Fontaine Mpamorona sady Tale Jeneralin’ny Orinasa ara-tsosialy Bôndy misehatra betsaka amin’ny fambolen-kazo; Nantenaina Tahiry Andriamalala Mpitarika ny Madagascar PHE Network miantsoroka betsaka amin’ny fiarovana ny zava-manan’aina sy ny tontolo iainana; Rio Heriniaina avy amin’ny ONG des Guides d’Andasibe mandalina momba ny zavatra manan’aina toy ny gidro; Sarobidy Rakotonarivo avy amin’ny ESSA Forests ahitana tambajotra iraisana amina firenena maro miantsehatra amin’ny tontolo sy ny zava-manan’aina; Tiana Andriamanana avy amin’ny Fanamby Mpiantsehatra amin’ny fiarovana ny zava-boahary; Tojo Raminoharijaona avy amin’ny Media Click miantsehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana miainga amin’ny fanentanana ireo mpikirakira internet; Vatosoa Rrakotondrazafy Ambadaoron’ireo mpanjono madinika eto Madagasikara, avy amin’ny Tambajotra MIHARI. Ny taona 2020, dia efa niara-miasa amin’ny African Wildlife Foundation Alliance Africaine des YMCA, ny Skoto maneran-tany, ny WWF, izay manentana ny tambajotrana tanora momba ny fiarovana ny tontolo, ka manendry ireo tanora latsaky ny 35 taona handray anjara ao anatin’ny 3 taona ny hetsika fiarovana ny tontolo eo amin’ny fiaraha-monina, sehatra nasionaly, iraisam-pirenena na aty Afrika.

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap