airtel

Actualités

10-août-2021

Actualités

« Tournée Star » volana jolay Nentanina mba tsy hanary tavoahangy plastika fahatany ny mponina

Sample post image

Toerana efatra no nampiantrano ny « Tournée STAR » nandritra ny volana Jolay lasa teo. Nanombohana ny hetsika ny tany Sabotsy Namehana ny sabotsy 10 Jolay,

10-août-2021

 taorian’izay ny tany Itasy izay notanterahina tamin’ny sabotsy 17 Jolay, avy eo ny sabotsy 24 Jolay tany Imerintsiatosika ary nifarana tany Arivonimamo ny zoma 30 Jolay lasa teo. Natokana ho an’ny Kopakelatra ny tapak’andro marainan’ny hetsika. Nampahafantarina ireo mponina teny amin’ireo toerana efatra ireo ny mahakasika ity tetikasa ity. Nentanina izy ireo hanaja ny tontolo iainany ary hanatitra ireo tavoahangy plastika tsy miasa intsony eny amin’ireo baka fanangonana natokana ho amin’izany tany an-toerana. Tsotra ny fandraisana anjara satria nahazo loka avy hatrany ireo izay nitondra tavoahangy niohatra ny roa. Nahasarika olona ny hetsika santatra notanterahin’ny Kopakelatra ivelan’Antananarivo tamin’ny ankapobenuy. Nihoatra ny 900 isa mantsy ireo nandray anjara. Nahatratra hatramin’ny 16. 000 isa mahery kosa ireo tavoahangy voahangona teny amin’ireo toerana efatra nanaovana ny fanentanana. Mivoaka miandalana ivelan’Antananarivo ny tetikasa Kopakelatra ary tsy ho ela dia hisandrahaka manerana ny Nosy. Ny tolakandro kosa no nifamotoanan’ny THB sy ny mpankafy azy niaraka tamin’ny « Bar mobile ». Ambiansy « Soa ny fiarahantsika » izay efa nahafantarana ny THB hatramin’izay no nampiainana ny mpanjifa izay nalaina nisarika rehefa tonga ny hariva. Tontosa tao anatin’ny fandriampahalemana ny hetsika rehetra.
Pati
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap