airtel

Actualités

17-sept-2021

Actualités

Tra-doza tany amin’ny Oniversiten’Antsiranana Tsy tana ny ain’ilay tovovavy vao 18 taona

Sample post image

Nodimandry ilay tovovavy vao 18 taona monja antsoina hoe Elisah, izay nilatsahan' ny solaitrabe vita tamin’ny simenitra ny marainan'ny alatsinainy 13 septambra lasa teo tao amin’ny Oniversiten’Antsiranana.

17-sept-2021

 Mpianatra taona voalohany tao amin’ny sampana DEGSP Oniversiten'Antsiranana izy, ary zanaky ny Ben'ny tanànan'i Betanatanana distrikan'i Maintirano. Natory tao amin’ny "salle d'étude" misy ireo mpianatra vao tonga, hanohy fianarana any Antsiranana izy sy ny namany roa ny andro nisehoan'ny loza. Nirotsaka anefa ilay solaitrabe vita tamin’ny simenitra teo ambonin'izy ireo ka nilatsaka tamin’ireto ankizy natory izay tsy nanam-po na inona na inona. Telo mianadahy izy ireo no nihotsahan'ilay solaitrabe izay naratra avokoa. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly manara-penitra, ireto farany saingy i Elisah no tena voa mafy ka voatery nalefa haingana notsaboina taty Antananarivo tao amin’ny CHU-JRA Ampefiloha. Noho ny ratra nahazo sy ny fahavoazana nahazo azy anefa, dia tsy tana ny ain’ilay tovovavy, raha toa ka efa nihatsara kosa izy roalahy. Betsaka ny fitarainana avy any Antsiranana momba ny tsy fahatomombanana ara-poto-drafitrasa handraisana ireo tanora avy lavitra hanovo fianarana any. Zary lasa mipenompenona mitady izay hiantsampazana, ary azo sokajiana ho noho izany no olana izany no nahalasibatra ireto mpianatra ireto izay namoizana ain’olona mihitsy ka mila jerena sy hitondrana vahaolanamafonja. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ny namoy ny ainy manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana eo anatrehan’ity toe-javatra mampalahelo ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap
27-mars-2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

Card image cap
27-mars-2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Card image cap
26-mars-2024

Nahatratra 35 isa ny fitarainana azon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona

Card image cap
26-mars-2024

Misy andro ratsy miforona any Atsinanan’ny Faritra SAVA any amin’ny ranomasimbe Indiana.

Card image cap