airtel

Actualités

22-juil-2022

Actualités

Trafikana volamena 2 kilao latsaka tratra tany Nosy Be

Sample post image

Mitohy ny trafikana harem-pirenena. Volamena milanja 1,795 kg indray no tratran'ny mpiasan'ny fadintseranana tao amin'ny seranam-piaramanidina tao Nosy Be omaly 21 jolay 2022.

22-juil-2022

Teratany malagasy miisa 4 saika hiondrana any Dubaï no nahatratrarana ireo volamena ireo nandritry ny fisavana mahazatra, raha ny tatitra. Somary hafa kely indray ny fomba nanafenana izany satria nofonosina volafotsy sy vy ireo volamena ireo, ary natao tanaty entana hoenti-tanana. Rehefa natao ny fitiliana dia voamarina fa volamena ireto tratra ireo. Notazonina ireto Teratany malagasy ireto mandra-piandry ny fampanoavana. Tsy vao izao no nahatrarana trafikana volamena tao Nosy Be fa desambra 2020, ohatra, dia nisy ny fahatrarana 3,6kg natao tao anaty vatoaratra solosaina entin-tànana. Teratany karana no sarona tamin’izany. Ny tena zava-doza anefa, nisy fikasana hanao trafika sarona indray teny Ivato ny septamba 2021, ka efa ireo karana sarona tany Nosy Be ihany raha ny tatitry ny manam-pahefana tamin’izany. Ny 28 jona teo no nahatratrarana farany volamena 835g tao anaty fitombenana teratany sri lankais ho any Dubaï, raha toa ka 895g kosa no tratra ny 15 jona, ka teratany karana sy sinoa no tratra tamin’izany, izay tany anaty fitombenana ihany koa. Azo lazaina fa tena mbola mirarakopana ny trafika saingy miova ny endriny. Toa somary ahena sy entina tsikelikely mba hanamora ny fanafenana. Tombanana ho ampahany ihany itony tratra itony, fa tena betsaka no tafavoaka. Isan’ny olana eto ny hoe misy manam-pahefana ao anatin’ny raharaha, raha tsy hilaza fotsiny ny olom-boafidy depiote voatonontona. Very maina ny fanadihadiana parlemantera momba ny trafikana volamena. Ny olon-dratsy indray no hanao fanadihadiana, hoy ny fampahalalam-baovao iray momba ity tranga ity manoloana ny fisiana depiote voatonontonona.

Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap