airtel

Actualités

18-janv-2022

Actualités

Trafikana volamena Malagasy iray sy Arabo iray no atidoha

Sample post image

Noho ny antony ara-penitra ara-pahasalamana dia omaly ny minisitry ny fitsarana, Imbiki Herilaza, vao afaka nanao ny tatitra momba ny diany tatsy Kaomoro ho famerenana eto an-tanindrazana ireo malagasy miisa roa voarohirohy

18-janv-2022

 tamin’ilay raharaha volamena 49,5 kilao ny 17 janoary teo. Araka ny feo mandeha, hoy hatrany ny fanazavany, dia nisy fikasana hanondrana volamena 2 taonina ihany koa tao anatin’ity tambazotrana mpanao trafika ity. Mbola eo am-panamarinana ny vaovao moa isika izao, hoy izy, tetsy amin’ny biraony etsy Faravohitra. Tao anatin’ny fotoana nizahana ireto volamena ireto dia nisy rongony mahery vaika na “héroïne” 1 kilao koa tratra niaraka taminy ny 28 desambra 2021 iny tao Moroni. Efa fantampantatra ny ireo atidoha miisa 2 ao anatin’ity tambazotra ity ny faramparan’ny taona teo. Toy izany koa ny mikasika ireo volamena 73,5 kilao tao afrika atsimo ny taona 2020. Malagasy iray sy arabo iray izy ireo, efa fantatra ny mombamomba azy. Sady tsy ho eto Madagasikara no tsy ao Kaomoro ireto ambara fa atidohan’ny trafikana volamena ireto raha ny resaky ny minisitry ny fitsarana.
ASA FAMPIHOROHOROANA
Ahiana ao anatin’ity raharaha ity koa ny mety ho fisiana asa fampihorohoroana. Raha ny taratasy hita tao Afrika atsimo dia avy ao Mali ireo volamena. Fantatsika anefa ny zava-misy ao Mali. Ahiana ny mety ho fisian’ny antsoina hoe «crime transnational» ao ambadik’izao raharaha izao. Averina hatrany fa tombatombana izany rehetra izany satria mety hanome tondrozotra am-pitaka na “fausse piste” koa ireo olon-dratsy. Ny herinandro lasa teo no nivaky ny fampanoavana kaomorianina fa misy trafika tsy mazava tontosan’ity tambazotra ity miisa 11 teo anelanelan’ny septambra sy desambra 2021. Hatreto aloha dia tazomina ao kaomoro ireo volamena 49,5 kilao. Mitohy kosa ny fifanomezam-baovao eo amin’i Kaomoro sy Madagasikara, hoy hatrany i Imbiki Herilaza.

Miha mazava ny amin’ny trafikana volamena tratra tatsy amin’ny nosy Kaomoro.Fa andrasana fatratra ihany koa ny hoe fa iza no atidoha nikotrika ilay fanondranana volamena 73,5 kilao tratra tany Afrika atsimo.Ankoatr’izay, ary amin’ny anaran’ny mangaraharaha sy fomba fiasa mahitsy sy marina dia andrasan’ny mpanara-baovao ny zavatra mety ho tenenin’ireo olona nitatitra ny volamena.Azo antoka fa mahalala zavatra maro mantsy izy ireo.
J. Mirija
Legende: Ny minisitry ny fitsarana Imbiki Herilaza tetsy Faravohitra omaly
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap