airtel

Actualités

02-févr-2021

Actualités

Trafikana volamena Mifanao ampamoaka ny mpitondra nifanesy

Sample post image

Nilaza ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Jeneraly

02-févr-2021

 

 

Ravalomanana Richard fa nandritra ny Fitondrana teo aloha, dia 200 hatramin’ny 300kg isan-kerinandro ny volamena avy aty Madagasikara voarakitra an-tsoratra any Mayotte. Toa zary lasa fomba firesaka ara-politika izy ity hoe ny teo aloha aza nanao ohatr’izao sy izao, fa tsy vao tamin’ity fitondrana ity. Tsy hamafa velively ity fahatrarana ny raharaha volamena 73,5kg tao anatin’izao Fitondrana izao, izay mety ampahany kely monja ny fitanisana ny tany aloha. Efa nilaza ihany koa ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga ny 11 janoary, fa tsy ilay 73,5kg no tokony ho adihevitra fa ny hoe 1932 kg ny voarakitra ao anatin’ny ANOR (Agence National de la filière Or), kanefa 10 taonina no tonga any Dubai. Raha nilaza ny SEG fa tamin’ny Fanjakana teo aloha dia 200-300kg isan-kerinandro no mivoaka, vao ny 20 janoary lasa teo, nanao ampamoaka ihany koa ny Minisitra teo aloha tamin’ny tetezamita Atoa Tabera Randriamanantsoa fa ny Minisitry harena an-kibon’ny tany tamin’izany Rtoa Randriafeno Daniella, dia nanana loharanom-baovao fa 60 kg isan-kerinandro ny volamena miondrana antsokosoko eny amin’ny seranam-piaramanidina. Lany in-droa tamin’ny filankevitry ny governemanta ny tetikasa hitahirizana ny volamena ao amin’ny Banky Foibe. Nentina tamin’ny Filankevitry ny Minisitra, andro talata, tokony tamin’ny 3 ora dia nantsoin’i Andry Rajoelina io madama io hoe aza entina aty io tetikasanao io fa raha tsy izany dia hesoriko ianao, hoy ny fitantaran’Atoa Tabera. Izay no nahatonga ny Pr Zafy nitory ny Kolonely iray Rain’ny Filoha Rajoelina noho ny loharanom-baovao azo fa mpanondrana volamen 60 kg isan-kerinandro izy, hoy Atoa Tabera Randriamanantsoa, ka miangavy mba hofongarina ny fitorian’ny Filoha Zafy Albert, hoy ny fangatahany. Samy manao ampampaka koa nahoana tokoa moa raha fongarina avokoa ny raharaha rehetra na iza na iza nanao azy, fa tsy ny mpangalatra akoho ihany no ho fatifaty foana migadra efatra taona tsisy fitsarana toy ny tany amin’ny Fonjan’i Farafangana  ?

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap