airtel

Actualités

11-janv-2021

Actualités

Trafikana volamena Nikorapaka ny fanjakana, 8 naiditra am-ponja

Sample post image

Naharitra 2 andro mahery ny famotorana natao teny anivon'ny PAC etsy 67 Ha,

11-janv-2021

 

 

 

ka tamin'ny 7ora latsaka fahefany maraina vao vita izany omaly alahady 10 janoary 2021 mikasika ilay trafikana volamena 73,5kg. Olona 8 tamin'ireo olona am-polony mahery nohenoina voalohany no naiditra am-ponja vonjimaika (MD), hoy ny tatitra nataon’ny Ministeran’ny Fitsarana, izay maneho fa mandray andraikitra. Lehilahy 7 any Tsiafahy ary vehivavy iray etsy Antanimora, ary iray kosa tànana eny amin’ny Toby Ratsimandrava. Karazan-keloka sy liham-piampangana maro no anenjehana azy ireo, toy ny fandikan-dalàna momba ny fadin-tseranana, fandikan-dalàna mifehy ny harena an-kibon'ny tany, fanaovana hosoka amin'ny taratasim-panjakana, fanaovana kolikoly na mivantana na an-kolaka, fanondranana volamena an-tsokosoko,.... Ireto avy ny anaran’izy ireo izay marihina sy tsindriana, fa tsy mbola misy ny didy raikitra sy fanamelohana fa fampidirana am-ponja vonjimaika no natao: Rakotoarivelo Maholiarimino Riana (agent commercial STA) izay nalefa eny Antanimora, Eny Tsiafahy kosa Rabefaniraka Alain (Sekretera Jeneralin’ny ACM ), Feno Valérie (responsable opération STA); Randriamparany Tiana Minosoa (directeur technique STA); Rakotomalala Gaël (mpanamorin’ny); Rakotomalala Kasaina (mpanamorin’ny STA ) - Rasaomelina Lala Iandry Nirina (Tsy nandeha tany Johannesburg) – Iasimanana Yau Cyrille (tsy nandeha Johannesburg). Mandeha ny fangatahana ny fanolorana olona enjehina ara-pitsarana (demande d'extradition) ho an'ireo olona mbola tazonina atsy Afrika Atsimo. Tsy mijanona hatreo ny raharaha fa mbola mitohy ny fanadihadiana. Fantatra ihany koa fa efa mandeha ny fangatahana ny fanolorana olona enjehina ara-pitsarana (demande d'extradition) ho an'ireo olona mbola tazonina atsy Afrika Atsimo. Ny Ministeran'ny Fitsarana no nanao ny fangatahana ary mampita izany amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny, ity farany no mandefa azy any amin'ny Masoivoho izay mampita izany amin'ny Fanjakana Afrikana Tatsimo. Tsapa tato anatin’ny herinandro latsaka kely teo izay fa dia nikorapaka aok’izany ny fanjakana niezaka nampitony sy nanazava ny momba ity trafikana volamena sarona tany Afrika Atsimo ity.Nihetsika mafy ihany koa ireo mpiaro fanjakana any anaty tambajotran-tserasera sy tamin’ny serasera ka nasisika ny ilay resaka hoe any Mali no tompon’ny volamena.Nivory maika mihitsy moa tamin’ny herinandro iny ireo minisitra misahana ny filaminana niaraka tamin’ny minisitry ny fitsarana sy ny fitaterana, ny avy ao amin’ny raharaham-bahiny ka namoaka fanazavana.Inona ilay tena nampikorapaka ? Niainga teo Ivato efa hafahafa ilay fiaramanidina tsy niandry ny baiko faran’ny « Tour de contrôle » fa tonga dia lasa ; nahoana no tonga tany Toliara mbola afaka nanainga ho any Afrika atsimo ihany.Miandry ny tohin’ny fanadihadiana ny rehetra satria dia mbola maro ny zavatra manjavozavo momba ity volamena tratra tany Afrika Atsimo ity.  

Toky R

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap
17-avril-2024

Tovovavy kely iray vao 16 taona monja niasa an-tranon’olona avy any ambanivohitra no fantatra

Card image cap
17-avril-2024

Ady vehivavy no namonoana olona tamin'ny fomba mahatsiravina tao Marovotsy Tsiareky Ambovombe ny alin'ny 14 Aprily 2024 tamin'ny 8 Ora Alina.

Card image cap
17-avril-2024

Hanampy tosika ara-bola amin’ny fiveloman’ny mpikambana ny biraon’ny Zanak’i Mahabako

Card image cap
17-avril-2024

Voararan’ny lalana ny mitazona zaza tsy ampy taona ao an-tokantrano ka zanak’olona na

Card image cap