airtel

Actualités

28-janv-2021

Actualités

Trano be nirodana teny Anosizato Efa ela no nampiahiahy, 1 maty, 9 naratra mafy

Sample post image

Trano lehibe iray, an-dalam-panitarana ny ampahany no nirodana tampoka omaly

28-janv-2021

 

 

 

maraina tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany tao amin’ny SAIFY Park eny Anosizato Atsinanana. Misy rihina izy io ka ny ampahany no natao toerana fitehirizan’entana. Raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia somary nihovitrovitra ny tany nialohan’ny nitrangan’ny loza ary saika nahare avokoa ny manodidina. Fotoana fohy taorian’izay dia nirodana ilay trano izay tsy azon’ny mpanao gazety nidirana intsony taorian’izay noho ny hamafisan’ny fiambenana. Voatery niantso ny sampana mpamonjy voina araka izany ireo tompon’andraikitra nanao ny asa fikarohana ireo mpiasa tavela tao izay nambaran’ny olona iray tsy nety nalaina sary sy nitonona anarana fa manodidina ny 70 isa eo raha kely. Ora iray taorian’ny loza vao tonga ny sampana mpamonjy voina izay niasa hatramin’ny omaly hariva mihitsy nikaroka ireo namoy ny ainy. Hatramin’ny ora nanoratanay omaly hariva dia olona iray no fantatra fa namoy ny ainy raha miisa 9 kosa ireo naratra mafy voatery nalefa eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, raha miisa 7 hatramin’ilay namoy ny ainy hoy ny sampana mpamonjy voina. Raha araka ny fanazavan’ny mponina eny amin’ny manodidina hatrany dia mbola mety misy olona tavela any ambanin’ity trano nianjera tampoka ity ka anisan’izany ireo nanala coffrage, asa nataon’izy ireo tamin’ny maraina. Tsy mbola fantatra mazava moa izay antony nahatonga ity firodanana tampoka ity fa ny hany nambaran’ny teny amin’ny manodidina dia mando ilay tany nanorenana ny trano nefa mbola mavesatrabe ihany koa ilay foto-drafitrasa.

Efa nampiahiahy

Efa ela izahay no nitaraina ny amin’ny zava-doza mety haterak’io tranobe io saingy tsy nisy nihaino, hoy ny mponina manodidina.Tsy nisy horohoron-tany, tsy nisy lozam-pifamoivoizana, heverina fa olana ara-teknika no nahatonga ny loza raha ny firesaky ny teknisianina.Ilaina ny fanadihadiana ary mila fantatra mazava hoe tahaka ny ahoana ny « Permis de construire » nahafahana nanao ny fanitarana.Tena arakaraky ny voasoratra tao ve ny asa natao.

Pati

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap