io no ventin-dresaka nentin’ny Transparency International - Initiative Madagascar (TI-MG) omaly 29 jolay, manoloana ny fitsanganan’ny Antenimierampirenena vaovao. Niarahaba ireo solombavambahoaka sy ny antenimiera noho ny fitsanganan’ny Birao maharitra vaovao ary ny Vaomiera, na dia nisy ary ireo tsy fahatomombanana samihafa tsikaritra nandritra ny fifidianana. Niaraha ny ezaka vita tamin'ny fananganana ny Komisiona ho an'ny fitantanana mangaraharaha, ny tamberin'andraikitra ary ny ady amin'ny kolikoly, izay nambara fa dingana makany amin’ny fanafoanana ny fahalovana. Nanipika anefa ny TI-MG fa na misy aza ny ezaka dia mbola tsy tomombana ny fitondrana tsara tantana sy tena manao tamberin'andraikitra. Notsiahiviny ny maridrefy itarafana ny kolikoly na IPC 2023, izay mametraka an’i Madagasikara ho laharana 145 amin'ny firenena 180, ary zara raha manana salan'isa 26/1000. Manamafy fa mbola betsaka ny ezaka mila atao hiadiana amin’ny kolikoly. « Manantena izahay fa handala fatratra ny fahintsiana sy hanohy izany ady amin'ny kolikoly izany ireo olom-boafidy. Manentana ihany koa izahay fa hiaro ny tombontsoan'ireo olom-pirenena Malagasy ireo solombavambahoaka amin'ny alalan'ny famolavolana ireo tolo-dalȧna mifanaraka amin'ny hetahetan'ny olompirenena; amin'ny alalan'ny fampiasana amim-pahamalinana sy am- pangaraharahana ireo fitaovana sy fananam-bahoaka eo am-pelatanany; ka tsy hanararaotra ny fampiasana ny « immunité parlementaire » », hoy ny TI-MG. Mamporisika ireo solombavambahoaka hanatanteraka ny fampanantenana nataony nandritra ny fifidianana sy hanaja ny fahefana ampindramina azy, ka nampahatsiahy fa laharam-pahamehana ny fanaovana ny tamberin'andraikitra, tokony hanao tatitry ny asa vitan'ny Antenimierampirenena ihany koa io fiarahamonimpirenena io. Miantso ihany koa ny hisian’ny fifampiresahana malalaka amin'ireo fiarahamonimpirenena. Iriana ho lasa sehatra tena ifanakalozan-kevitra sy ho ivon'ny fampandrosoana, ary tena ho mpanara-maso ny asan'ny governemanta ny Antenimiera, hoy hatrany ny TI-MG.
Toky R
Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?
Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola
Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga
Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena
Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa
Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,