airtel

Actualités

18-janv-2021

Actualités

Tsena sy fanjifana Efa 900 Ariary ny kapoakam-bary

Sample post image

Miaka-bidy andro aman’alina ny vidim-bary eny an-tsena. Tamin’iny herinandro

18-janv-2021

 

 

 

 

nivalona izao dia in-droa niakatra ny vidim-bary araka ny fanamarihan’ny mpanjifa. 900 Ariary ny kapoakam-bary teny Itaosy ny sabotsy teo, raha 800 Ariary izany tamin’ny alarobia. Tsy lalana tapaka, tsy solika miaka-bidy fa dia manonga tsy miato ny vidim-bary. Vao misasaka anefa ity ny volana janoary hoy hatrany ny mpanjifa eny an-toerana. Ireto farany izay mametra-panontaniana hoe : inona no fiantraikan’ilay Hetsika Vidin’Entana niarahan’ny Ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny asa-tanana tamin’ny vondron’ny mpanjifa eto Madagasikara, ny lehiben’ny tsena eto amin’ny Kaominina renivohitra sy ny manodidina eto Analamanga nambara fa nijerena ny vidin’ny entana eny an-tsena, ny kalitaon’ny entana, ny fanamarinana ny fitaovana fandanjana ampiasaina eny amin’ny tsena ary ny fitsinjovana ny safidin’ny mpanjifa ? Tsiahivina fa ny Hetsika Vidin’Entana dia natomboka ny volana desambra 2020 ary hitohy hatramin’ny faran’ny volana Febroary ho avy izao. Nisy ny zoma 15 Janoary 2021 teo, ny jery todika ka tapaka fa ho tohizana mandritra ny taona ary hatao manerana ny Nosy ny Hetsika Vidin’Entana.

Jean D.

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap