airtel

Actualités

03-mai-2021

Actualités

Tsenabarom-panjakana 1,4 miliara Ar Misy tan-dapa voatonontonona amina hosoka

Sample post image

Tan-dapa iray eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika no voatonontonona amina tsenabarom-panjakana tsy mangarahara.

03-mai-2021

 

 

 

 Fanaovana sy fampiasana hosoka namoahana vola be teo anivon’ny orinasa SMMC ao Toamasina voalaza fa hananganana “logement social” sy hanaovana ny tamboho mamefy ilay toerana ary hanaovana ny fikarakarana sy fanotofana tany ao Betainomby Toamasina io, raha ny loharanom-baovao. Voalza fa efa tafavoaka daholo ny 80%-n’ny vola tamin’ireo tetikasa ireo, kanefa raha ny fantatra dia tsy mbola vita ny asa. Fantatra fa mitentina 145 914 278,72  Ariary ny vola efa tafavoaka raha toa ka 1 1 394 967 848 Ariary ireo tetikasa manontolo. Orinasa iray ihany no voalaza fa nahazo ny tsenabarom- panjakana tamin’ireo tetikasa telo ireo, izay fantatra fa olona akaiky ilay tompon’andraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika. Ambaran’ny loharanom-baovao, fa tsy nisy tolo-barotra natao tamin’ny nitadiavana ny orinasa nomena ireto tetikasa teo anivon’ny SMMC ireto fa dia hosoka sy fampiasana hosoka no nataon’ireo mpiray tsikombakomba tamin’izany. Orinasa roa izay tena misy no natao sarintsariny ho nifaninana tamin’ilay orinasa nomena ny tsena, saingy rehefa nisy ny fanadihadiana dia voalaza fa hosoka ny sonia nampiasaina tamin’izany, satria ny tompon’ireo orinasa ireo dia nanamafy fa tsy nandray anjara tamin’ny fifaninanana hahazo tsenabarom- panjakana eo anivon’ny SMMC izany mihitsy. Eo ihany koa ny kitranoantrano natao tamin’io orinasa izay nomena ny tsena io izay voalaza fa misy ifandraisany akaiky amin’ny Tale jeneralin’ny SMMC ihany koa ny tompony. Tsy nanaraka ny voalazan’ny andalana faha-72 ao amin’ny andinin- dalàna mikasika ny tsenambaro-panjakana ihany koa ity raharaha ity izay namoahana “avances” mihoatra ny 20% azo avoaka, hoy ny fanazavana.

NIDITRA AN-TSEHATRA NAMALY NY ANTSON’NY IGE

Ilay trano antsoina hoe “maison témoin” mantsy dia efa namoahan’ny SMMC ny 40%-n’ny vola izay mitentina 33 684 224 Ariary tamin’ny 21 febroary 2019. Ny fanaovana ireo tamboho kosa dia efa namoahana ny 50%-n’ny vola izay mitentina 152 057 331 Ariary tamin’ny 11 novambra 2019. Tamin’ny 22 febroary 2019 no voalaza fa nandraisana ny 40%-n’ny saran’ireo tsenambaro-panjakana manontolo io orinasa io raha toa ka 20% ihany no voalazan’ny lalàna. Nampanantsoin’ny teo anivon’ny IGE ny tompon’ilay orinasa, saingy tsy nipoitra ny tenany fa ilay tompon’andraikitra eo anivon’ny Prezidansa no namaly ny 11 febroary 2021 lasa teo, ary nilaza sy nanamafy fa azy io orinasa io fa tsy an’itsy voalohany. Nampanantena ny hitondra ny antontan- taratasy sy ny antontan- kevitra rehetra manodidina olona avy ao amin’ny Prezidansa io, saingy hatramin’izao tsy nipoitra, hoy ny loharanom-bavaovao. Andrasana izay mety ho fanadihadian’ny Bianco sy ny PAC ahitana ny marina ao anatin’ny raharaha.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap