airtel

Actualités

06-déc-2022

Actualités

Tsenam-borona Tafakatra 160.000 Ar ny vorontsiloza lahy lehibe

Sample post image

Efa andro sisa no isaina dia higadona ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona. Tsy afa-misaraka amin’izany ny fihinanana ireo karazan-tsakafo marobe hiavahana amin’ny mahazaka ka anisan’ireny ny vorona.

06-déc-2022

Efa tazana marobe sy mitandavana izy ireny eny an-tsena. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina mpivaro-borona iray etsy Anosibe dia tena niakatra ny mason-karenam-borona izay tranga hatrany am-potony mihitsy. Noho ny fiakaran’ny vidin’ny solika hitateraka azy ireny sy ny haratsian-dalana hoy izy dia tsy misy latsaky ny 120.000 Ar intsony ny vorontsiloza lahy iray amin’izao miainga any am-potony. Ankoatra ny ao Toliara izay tena mpiompy azy ireny dia maro vorontsiloza ihany koa ny ao Fianarantsoa sy ny manodidina. Voatery mivarotra vorondahy iray 160.000 Ar araka izany izy ireo tonga eto an-drenivohitra. 100.000 Ar kosa ny vorombavy kely iray raha 90.000 Ar ny gisalahy lehibe iray. Manodidina ny 40.000 Ar kosa ny ganagana lehibe iray raha 30.000 Ar ny akoho miankina amin’ny habeny. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia ireo mpanontany no mbola betsaka hatreto. Mbola maina ny tsena amin’ny ankapobeny. Manomboka any amin’ny faha-15-n’ny volana desambra any ho any vao manantena tsena tsara ireo mpivarotra raha ho any eto an-drenivohitra manokana. Any ho any mantsy vao manomboka mandray karama avokoa ireo mpiasam-panjakana maro isan-tsokajiny.
Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap