airtel

Actualités

06-juil-2021

Actualités

Tsenan’ny akanjo mafana Nihena hatrany amin’ny 30 % ireo mpanjifa

Sample post image

Mikaikaika noho ny tsy fisian’ny tsena ireo mpivarotra akanjo mafana eto an-drenivohitra. Nihena hatrany amin’ny 30% mantsy ny mpanjifan’izy ireo tamin’ity ririnina ity noho ny fahasahiranan’ny isam-baravarana.

06-juil-2021

 

 

 Raha araka ny fanazavan’ny renim-pianakaviana mpivarotra iray dia blouson mafana tombanana 40.000 Ar hiadivan’ny mpividy iray 25.000 Ar varotra amin’izao. Te hitafy mafana sy vaovao ny mpanjifa hoy hatrany izy saingy noho ny fahasahiranana dia tsy afa-manoatra. Izy ireo ihany anefa eo an-daniny tsy afaka midina be loatra hiarovana ny fatiantoka mihoapampana izay mety hahalany tsy fidiny ny mason-karena. Nomarihin’ity renim-pianakaviana mpivarotra iray ity hatrany moa far aha nahafaty 4 hetsy sy 1 tapitrisa Ar isan’andro izy ireo teo aloha dia ny ampahatelon’izany sisa lafony ankehitriny. Tsy azo hianteherana intsony ny varotra akanjo mafana amin’izao hoy hatrany izy.
Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap