airtel

Actualités

13-janv-2021

Actualités

Tsiroanomandidy Tratra ireo lehilahy 2 mpanolana ankizivavy kely

Sample post image

Lehilahy miisa roa 17 sy 56 taona no voasambotry ny Polisy miasa oa

13-janv-2021

 

 


Tsiroanomandidy noho ny resaka fanolanana zazavavy tsy ampy taona. Zazavavy kely miisa 4 samihafa no naolan’izy ireo ka 17 taona ny iray, 13 taona ilay faharoa raha 09 taona ilay fahatelo.Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny 24 Desambra lasa teo no naharay fitarainana ny Polisy any an-toerana mikasika trangana fanolanana zazavavy 17, 13 sy 09 taona. Nanokatra fanadihadiana ireto farany ka lehilahy iray 56 taona fantatra fa tompon’antoka tamin’izany. Rehefa natolotra ny fitsarana ny 29 desambra teo ity lehilahy nahavanon-doza ity dia naiditra am-ponja vonjimaika. Ny 06 janoary teo anefa dia naharay fitoriana ny avy eo anivon’ny kaomisarian’i Tsiroanomandidy izay nilaza fa nisy lehilahy iray nanolana zazavavy kely 14 taona izay mbola mpianatra hafa ihany koa. Nandray ny andraikiny avy hatrany koa ireo Polisy miasa any an-toerana ka lehilahy iray izay voatonontonona tamin’izany no voasambotra tany Tsiroanomandidy. Taorian’ny fanadihadiana dia natolotra ny Fampanoavana ny 08 janoary teo ity farany ary araha-maso eo ambany fiahian’ny Fitsarana(sous controle judiciaire).

Pati

Legende : Ireto izy roalahy mpanolana

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap