airtel

Actualités

14-févr-2022

Actualités

Tsy fahampiana ara-pitaovana Nampindramin’Ambatovy raopilanina ny Fanjakana

Sample post image

« Omaly 12 febroary 2022, dia nampindrana fiaramanidina hitondrana ireo tompon’andraikim-panjakana sy ireo mpisehatra anatin’ny vonjy voina ho any Mananjary ny orinasa Ambatovy, ho fanampiana an'ireo maro tra-pavoazana

14-févr-2022

 taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai. Marihina fa voafetra ny fitaterana mankany an-toerana vokatry ny fahatapahan’ny lalana”, hoy ny Fampitam-baovaon’ny Orinasa Ambatovy tao amin’ny pejim-baovaony omaly tolakandro. Ity orinasa ity izay tsy vao izao no nitondra fanampiana noho ny voina miseho, raha tsy hilaza afatsy ny fitaovana sy olona nampisaina tamin’ny fikarohana ireo olona tsy hita popoka tao Moramanga, ny fanampiana PPN sy ny maro hafa, ary izao nanome fiamanidina hampiasaina. Nanainga ny sabotsy teo ireo delegasiona avy amin’ny fanjakana Malagasy sy ireo mpisehatra anatin’ny vonjy voina avy any ivelany nihazo an’i Mananjary tamin’ny alalan’ity fiaramanidina an’ny orinasa Ambatovy. Nahitana ny Minisitry ny rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana, ny avy ao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika, solotenan’ny ministeran’ny Angovo, solotenan’ny ministeran’ny Mponina, solotenan’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena sy ny ekipan’ny BNGRC izay notarihin’ny Tale Jeneraly Gal Elack Olivier Andriakaja, ary ireo mpiara-miombonantoka Medair, Ocha, Echo, Telecom sans frontière, Unicef, Union Européenne. Voalaza fa tonga hiasa amin’ireo faritra maro tra-pavoazana tamin’ilay rivodoza Batsirai izy ireo, ary koa hanohy ireo asa izay efa natao amin’ny fanarenana ny Faritra tsirairay.


Tsetsatsetsa tsy aritra eo anatrehan’ity fampiasana fiaramanidina an’ny tsy miankina kosa ny hoe : fa aiza ihany ilay fiaramanidina Casa nampiady hevitra sy lasa resabe fa hoe fa nisy vola tsy voaloa kanefa nohitrikitrihin’ny Minisitry ny fiarovana ny 17 septambra 2021 tetsy Mahamasina fa antsika ary mandalo fanamboarana ? Hatramin’izao ve tsy vita ihany ? Moa tsy vanim-potoana tahaka izao no ilàna azy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap