airtel

Actualités

23-janv-2026

Tsy fanatanterahana ny fanavaozana notakiana

Manambana hiverina hitokona ny

Sample post image

mpiasan’ny MADARAIL sy SOMATRAFER

23-janv-2026

Mkasika hiverina hitokona indray ny mpiasa eo anivon’ny orinasa lalamby MADARAIL ny ambaran’izy ireo fa tsy fahatanterahan’ny fanavaozana notakiany. Efa nisy ny fitakiana nataon’izy ireo, ka nampiala ny Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny MADARAIL ny mpiasa, ny orinasa Vecturis ary ny SOMATRAFER izay samy manana anjara toerana ao amin’ny MADARAIL. Niafara tamin’ny fanesorana ny Tale Jeneralin’ny orinasa izany fitokonana izany. Marihina, hoy ireo mpiasa, fa ny Filohan’ny Filankevim-pitantanana amin’izao fotoana izao, Andriamatoa Patrick CLAES, teratany Belza, no tompon’ny petra-bola lehibe indrindra (75%) tamin’ny alalan’ny orinasa COMAZAR. Izy ihany koa no Tale Jeneralin’ny orinasa MADARAIL taorian’ny fisitahan’ny fanjakana Malagasy tamin’ny taona 2003, izay nitantana ny faritra avaratra (TCE, MLA ary TA). Tatỳ aoriana, lasan’ny Madarail ny 75% amin’ny petra-bola, ka rehefa niala ny Tale Jeneralin’ny vondrona SODIAT izay tompon’ny petra-bola lehibe indrindra indray, dia notendreny ity teratany Belza ity ho Filohan’ny Filankevim-pitantanana. Na dia tsy manana petra-bola intsony aza ny vondrona SODIAT hatramin’ny taona 2022 fa lasa an’ny Fanjakana 100% ny petra-bola, araka ny fanazavan’ny mpiasa, dia mbola mitana anjara toerana lehibe amin’ny fitantanana ny MADARAIL ity vahiny ity amin’izao taona 2026 izao. Mitaky ny hijerena haingana ny toe-draharaha ny mpiasan-dàlamby, satria tsy nisy vokatra azo ho fanarenana sy fanatsarana ny lalamby tao anatin’ny 20 taona mahery nitantanan’ity tompon’adraikitra vahiny sy ny vondrona SODIAT. Tsy nisy fampiasam-bola mazava sy mahomby tao amin’ny MADARAIL, hoy hatrany ireo mpiasa.
LASA FANANAN’OLON-TSOTRA NY FANANAM-PANJAKANA…
Milaza ihany koa izy ireo fa ny fananan’ny fanjakana toy ny tany, ny vy, ary ny fotodrafitrasa dia efa lasa an’ny olon-tsotra tamin’ny fomba tsy mazava sy potika, ka iantsoan’izy ireo fanadihadiana haingana sy ny fandraisana andraikitra hentitra amin’izany. Ny zotra Fianarantsoa – Manakara, ohatra, efa ho iray taona mahery izay no tsy miasa. Tsy voajery intsony ny zo sy ny tombontsoan’ny mpiasa. Ny “rails” sy ny “traverses métalliques” eo anelanelan’ny gara Vohidiala sy Ambatondrazaka dia tapitra nangotana sy namidy, ary saika nanerana ny zotra rehetra no nanaovana izany. Napetraka indray ny Tale Jeneraly vaovao sy Tale Ara-bola vaovao, saingy saingy hita fa tsy manana traikefa ampy hanarenana ity lalamby efa potika hatramin’ny fampiasam-bola tsy mahomby nanomboka tamin’ny taona 2003, hoy hatrany ny mpiasa. Efa nisy ihany ny fihaonana sy fifampiresahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga manoloana ny fahapotehan’ny orinasa lalamby manerana an’i Madagasikara (TCE, MLA, TA ary FCE), saingy hatreto, tsy mbola nisy vokatra mahafa-po ho amin’ny fanarenana sy fampandrosoana ny lalamby Malagasy. Ny hany fanantenana dia ny Talen’ny Fitaterana an-dàlamby vao napetraka eo anivon’ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Fampafantarana ny Toetr’Andro, izay nilaza fa vonona hiara-hiasa sy hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny lalamby, hoy ny mpiasa eo anivon’ny MADARAIL sy SOMATRAFER.
Toky R

 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap