airtel

Actualités

10-sept-2021

Actualités

Tsy mifampikoso-maso Nitory gazety i Lalatiana mivady

Sample post image

Nametraka fitoriana ny gazety an-tsoratra La Gazette de la Grande Ile ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy sy Atoa Andry Andriatongarivo vadiny manoloana

10-sept-2021

 ny vaovao an-gazety nivoaka ny alarobia teo mikasika ireo minisitra mivady ireto sy ny mpanakanto iray. Voapetraka omaly 09 septambra teny amin’ny Tribonaly ambaratonga voalohany izany. Nanitrikitrika ireo mpisolovava an’i Lalatiana Andriatongarivo mivady, fa rehefa nojerena ambony ambany, dia zavatra tsisy mari-pototra, misafotofoto, zavatra tiana hatavy, tsisy porofo,… Io fanenjehana atao azy io dia tetika politika ihany, raha miijery ny ao anaty governemanta dia vita amin’ny antsakany sy andavany ary mbola mihoatra aza. Anton’izany ny fahatafaverenany ho minisitra sy tsy nizarana ny departemanta iandraketany. Porofo izany fa mbola misy foana ny fitokisana, hoy izy ireo. Lazaina fa niaraka tamin’iry, lazaina nifampitory ireo olona voaresaka, afaka manamarina eny amin’ny polisim-pirenena raha misy “plainte” napetraky ny olona arovanay na itoriana ny olona arovanay, zavatra tsy marina, tsy nisy, tsy nitombina,… no terena atao kisarisary ezahina havoaka hamidy an-gazety ka hatraiza ny mety ho fiantraikany. Manohintohina ny fiainany manokana manohintohina ny haja amam-boninahiny. Fanalam-baraka, sangy mihoatra ny loha. Raha ohatra ka zavatra nisy na tena mitombina, hoy hatrany ireo mpisolovava. “Misy lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety, ary tsy ianareo izay heveriko fa matihanina no ampianarina an’izany. Manana ny lalana 2020-006 tamin’ny 1 septambra 2020 isika, izay milaza ireo azo atao sy ny tsy azo atao. Amiko dia tsotra be, ny lalàna no ampiharina, na minisitra, n any vadiko, na iza ka mahatsapa fa voatohintohina amin’ny zavatra mihoatra ny fefy izay tsy ao anatin’ny asa fanaovan-gazety dia manana zo ho arovan’ny lalàna manan-kery. Alo ny lalàna no hoentina, fa tsy maniry hanao resabe an’ilay izy. Adidy kosa amin’ny maha minisitra amin’izay tontolon’ny fanaovan-gazety izany ny manameloka amin’ny zavatra efa mihoatra ny fefy”, hoy kosa I Lalatiana Rakotondrazafy.
TSY NIKOSO-MASO NY LA GAZETTE DE LA GRANDE ILE
Hatramin’ny omaly, tsy nitsitsy ity gaety an-tsoratra iray ity namerina ireo vaovao efa navoakany ny alarobia teo, raha toa ka nandefa taratasy miantso fandisoana sy fanintsiana kosa ny Minisiteran’ny serasera sy ny Kolontsaina raha ny taratasy hita omaly. Mbola rakotra ireo lahatsoratra mikasika io minisitra io sy ny vadiny ity gazety ity omaly satria voalaza fa nisy nividy am-bongadiny mba tsy hiparitaka ity resaka ity, noho ny fanirahana olona hividy manontolo ny gazety 2000 hatramin’ny 20000Ar ny iray. Mifampitandroka tanteraka, ka omaly tamin’ny 6ora maraina dia voalaza fa nahazo antso tamin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Minisiteran’ny serasera ny Tonian-dahatsoratry ny La Gazette de La Grande Ile, fa hakatona ity orinasa fanaovan-gazety ity, saingy tsy tanteraka io hatry ny omaly. Mihitatra ny raharaha, ary tsy nilavo lefona io fampahalalam-baovao io hatry ny omaly, izay toa maneho ankolaka amin’ny lahatsorany fa tsy mikoso-maso sy vonona hifampitady amin-dRtoa minisitra mivady.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap