airtel

Actualités

03-juin-2022

Actualités

Tsy mifanaraka amin’ny soatoavina Notsipahan’ny depiote ny fandinihana ilay ITG

Sample post image

Notsipahan’ny «conférence des Présidents » teo anivon’ny Antenimierampirenena omaly 02 jona 2022 ny fampidirana anaty fandaharam-potoana ny tolo-dalàna mahakasika ny ITG (Interruption Thérapeutique de Grossesse)

03-juin-2022

izay miompana amin’ny fanaisorana zaza ao am-bohoka rehefa voasokajy fa mety haningotra ny ain’ny reniny na koa misy antony lehibe hafa. Izany hoe tsy tafiditra ao anaty lahadinika. Noho izy tsy mifanaraka amin’ny kolotsaina sy soatoavina malagasy no voalaza fa anton’ny fitsipahana n ateo aza ny karazana fandresen-dahatra tamin’ny endriny maro mikasika ity volavolan-dalàna nataon’ny Depioten’i Tsihombe Rtoa Masy Goulamaly ity. Nanambara ihany koa moa ny governemanta tao anatin’ny fanamarihina izay nataon’izy ireo momba ity tolo-dalàna ity fa misy lesoka betsaka ao anatiny ary anisan’izany ny hoe mifanohitra amin’ny Lalampanorenana. Saika efa nanohitra an’io avokoa moa ireo Fiangonan-dehibe eto amin’ny ankampobeny satria amin’izay ireo na inona na inona voambolana lalaovina, dia fanalan-jaza io, zavatra efa misy manao aza ka tsy tokony halalahana be fahatany. Tsiahivina kosa etsy andaniny fa ny 13 may lasa teo, nanao hetsika manoloana ny Lapan’i Tsimbazaza ireo fikambanana manohana ny lalàna mikasika ny ITG. Nngatahin’izy ireo ny hamerenana handinihina izany. Raha tsiahivina dia tolo-dalàna nataon’ny Solombavambahoaka voafidy tao Tsihombe Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc nandritra ny fotoam-pivoriana faharoa (oktobra 2021) ity hangatahin’izy ireo averina ampidirina anaty fandaharam-potoanan’ny Antenimierampirenena ity. Rehefa mametraka tolo-dalàna ny parlemantera dia misy ny fanamarihana ataon’ny Governemanta, ka niandry izany fanamarihana izany no mbola nampijanona ny fandinihina ity tolo-dalàna ity, araka ny fanazavana nomen’ny Solombavambahoaka Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc tamin’izany, saingy naman’ny voatsipaka izany izy teto.
SARY 1 : Tompon-kevitra amin’ity ITG ity ny depiote Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc
MISY HERY LEHIBE MANOSIKA ?
Somary mahagaga ny fahamaizana sy fisisihana hanao io lalàna io. Toa tonga hatramin’ny fanentsehana olona mba hanao tsindry amin’ny handinihana sy hampandaniana azy. Toa misy kolontsaina hafa mihitsy tiana hampidirina mivantana na ankolaka eto. Efa nisoko miadana ny resaka fampidirana ny fiarahan’ny mitovy fananahana tian’ny vondron’olona sasany homena fahalalahana. Azo sokajiana ho fanafihan’ny fanatontoloana, saingy heverina fa tena iniana volena eto mihitsy. Ahiana ny famatsiam-bolabe amin’ireo lafin-javatra mifanohitra amin’ny kolontsaina ireo. Mampanahy ihany koa aza ny mety ho fifandraisana eo amin’ity toe-draharaha ity sy ireo karazana fakana an-keriny na fibedana olona eto Antananarivo, izay ankizivavy no betsaka lasibatra.
SARY 2
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap
27-mars-2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

Card image cap
27-mars-2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Card image cap
26-mars-2024

Nahatratra 35 isa ny fitarainana azon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona

Card image cap
26-mars-2024

Misy andro ratsy miforona any Atsinanan’ny Faritra SAVA any amin’ny ranomasimbe Indiana.

Card image cap