airtel

Actualités

28-janv-2021

Actualités

Tsy mitsitsy ny Fanjakana Mpianatra 5 naiditra am-ponja any Antsiranana

Sample post image

Tsy niandry ela ny manampahefana teo anatrehan’ny raharaha savorovoro tao

28-janv-2021

 

 

amin’ny Oniversiten’Antsiranana ny alin’ny alatsinainy teo. Raha tsiahivina dia nisy ny fandorana ireo antontan-taratasy tao amin’ny Birao momba ny raharaha sosialy sy fangalarana solosaina noho ny tsy fahafaliana nateraky ny fahatapahan-drano, nampian’ny fahatapahan-jiro. Niditra tamin’ny fandravana ny hetsika ny mpitandro ny filaminana, ka nifamaliana ny tora-bato sy poa-basy. Manodidina ny 14 ny mpianatra voasambotra ny talata teo, ary raha ny vaovao azo omaly, dia mpianatra 5 no nampidirina am-ponja vonjimaika taorian’ny savorovoro nanomboka io omaly alarobia io. Natolotra fampanoavana ny talata ihany ireo mpianatra 14 voarohirohy ho nanao herisetra narahina fanimban-javatra, ka dia io nampidirina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Antsiranana ny dimy tamin’izy ireo. Tsara ny mampahatsiahy, fa isan’ny voaresaka tao anatin’ny Fivorian’ny OMC-Nasionaly notarihin’ny Praiminisitra ny talata tontolo andro ny sakoroko sy savorovoro eny amin’ny oniversite. Nanome toromarika mihitsy ny hisian’ny sehatra ifanampiana eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny oniversite eo anatrehan’ny ambarany fa fambolena korontana. Tsy misy resaka “franchise universitaire” intsony satria efa mafana ny raharaha, ka efa miditra an-tsehatra sy miorim-ponenana any amin’ny faritry ny oniversite sy ny toeram-ponenan’ny mpianatra mihitsy ny mpitandro filaminana. Na izany aza, misy andraikitra andrasana takiana amin’ny Fanjakana amin’ny fitondrana vahaolana maharitra eo anatrehan’ny olana samihafa, fa tsy boriboriana amin’ny fomba firesaka matetika hoe: misy ambadika politika.

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap