airtel

Actualités

17-sept-2021

Actualités

Tsy nahaloa vola indray ny fanjakana Nalain’ny tompony ilay fiaramanidina CASA

Sample post image

Navoakan’ny fampahalalam-baovao Frantsay Le Monde fa nalain’ny orinasa Frantsay Sofema ny fiaramanidina Casa CN-235 novidian’ny Filoha Andry Rajoelina ny 2019.

17-sept-2021

 « Mauvais payeur, Madagascar perd son seul avion de transport militaire », hoy ny lohatenin’ny lahatsoratra nosoratan’i Laurence Caramel. Lahatsoratra lava dia lava io, fa raha ny voalazan’ity fampahalalam-baovao vahiny ity, dia hatrany amin’ny 4 tapitrisa euros ny fatiantoky ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena noho ny tsy fahatomombanan’ny fandoavana tsikelikely ny vidin’io fiaramanidina io, ka niteraka ny fisintonana tanteraka azy. Ny 16 novambra 2020 no voalaza fa nanapa-kevitra ny hanafoana ny fifanarahana ny Sofema izay mpisehatra havanana amin’ny fifanarahana momba ny fitaovana ara-miaramila, ka naka tanteraka io fiaramanidina io izay efa nikatso tsy nihetsika tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Lanseria ao Johannsburg Afrika Atsimo. Nambaran’io lahatsoratra io, fa nampanantena ny minisitry ny fiarovana rehefa nanontaniana, fa hiverina tsy ho ela eto ny fiaramanidina, anton’ny fihemorana ny covid-19, tsy misy vola mbola tsy voaloa, ary milamina ny fifandraisana amin’ny Sofema. Ny 26 jona 2019 no naseho ampahibemaso ity fiaramanidina ity, izay natao lokon’i Madagasikara. Iraka 15 andro ny febroary 2020 ihany no voalaza fa nataony, ary nalefa tao Afrika Atsimo, izay misy ny toeram-panamboarana an’ny Sofema. Voalaza fa nangataka ny hanofa mpanamory sy mpanamboatra ahafahan’ny fiaramanidina hanidina ny Fanjakana Malagasy. Nisy resa-bola an-tapitrisany euros ankoatra ny 7,3 tapitrisa euros vidin’ny fiaramanidina. Nisy ihany koa anefa ny fifanarahana fiandry nataon’ny Sofema. Ny 21 jona 2021 dia voalaza fa nandefa taratasy tamin’ny minisitry ny fiarovana ny Tale Jeneralin’ny Sofema Guillaume Giscard d’Estaing momba ny lesoka miverimberina tamin’ny fandoavan’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena vola, ka mizotra mankany amin’ny fehin-kevitra tsy azo ivalozana voarakitry ny fifanarahana tamin’ny 16 novambra 2020,… Mbola lava ny momba io raharaha io, saingy ny fehiny dia hoe: efa notsoahina tamin’I Madagasikara ity fiaramanidina ity, izay nireharehan’ny Filoham-pirenena fatratra, nolazaina fa mariky ny fiandrianam-pirenena,… saingy zary lasa manala baraka ny tafika Malagasy ny ataon’ny mpitondra. Andrasana indray izay ho ambaran’ny fitondram-panjakana momba ity raharaha iray ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap