airtel

Actualités

04-oct-2022

Actualités

Vadin’i Mahery Lanto Manandafy “Fiarovana ny Malagasy no nandrisika azy”

Sample post image

Naneho tamin’ny fampahalalam-baovao Rtoa Doris Rakoto Samuel vadin’i Mahery Lanto Manandafy omaly manoloana ny fampidirana am-ponja ny vadiny,

04-oct-2022

kanefa aminy dia fanampiana ny fitondram-panjakana aza no nataon’i “Malama”. “Ny bala misy eto Madagasikara, ny basy miditra fa mbola tsy fantatra mihitsy hoe: avy aiza ilay izy? Tsy mbola misy tratra mihitsy ny momba ny fihavian’ny fitaovam-piadiana mahery vaika hifanandrinan’ny dahalo amin’ny mpitandro filaminana. Ny miheritreritra an’izany tsy zakany mihitsy, dia izany rehetra rehetra izany no nanosika azy hoe: havoakako ity, hapoakako ity”, hoy Rtoa Doris Rakoto Samuel. Araka ny fitantarany, nampitain’I Malama tamin’ilay vazaha nitory azy ny hoe: “Tsy ekeko mandrakizay ny hoe: teratany vahiny no mamatsy bala ho an’ny Malagasy hamonoana Malagasy”. Fantatry ny vadiko tsara, hoy izy, fa mbola tataovan-tsazy mihantona izy tamin’ireny resaka tetezana ireny, saingy naka risika izy ho fiarovany ny Malagasy satria tsy misy hitarainany matoa tany aminy no nandefa ny vaovao. “Mitady ny loharanom-baovao ilay vazaha hoe: iza no loharanom-baovao, saingy mitazona hatramin’ny farany tsy hanome izany I Mahery Lanto Manandafy”. Azo atao hoe: fanampiana ny Fanjakana no nataony, ary raha ny tokony ho izy, dia manokatra fanadihadiana ny Fanjakana momba io raharaha io, hoy hatrany ny vadiny. Nomarihiny ihany koa ny hoe: misy an’ilay depiote iny ihany koa voatonona ao anatin’ilay izy, misy polisy, misy fiaraha-miasa amin’ny mafia. Nametra-panontaniana moa Rtoa Doris Rakoto Samuel hoe: sa ve nohafainganina ny raharaha fampidirana am-ponja ka androany izy natao fakana am-bavany dia tonga dia niakatra fampanoavana, ka nalefa any am-ponja. Sa misy voahelingeina tombotsoa ambadika any na misy olobe voakitikitika? Hatreto, tsy mbola fantatra mazava ny fotoana hiakaran’I Mahery Lanto Manandafy fitsarana. Hanao ahoana ny ho tohiny? Hisokatra ihany ve ny fanadihadiana etsy ankilany
? Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap