airtel

Actualités

02-sept-2021

Actualités

Vadintany sy mpanao lavanty 146 no misahana Malagasy 27 tapitrisa

Sample post image

Laharam-pahamehana ho anay, hoy ny filoha vaovaon’ny Tranobem-pirenen’ny vadintany sy mpanao lavanty eto Madagasikara, Maitre Alain Rakotonirina,

02-sept-2021

 dia ny fanatsarana ny asanay amin’ny alalan’ny fananganana fianarana manokana momba ireo dingam-pitsarana na “école de procédure”, nandritry ny lanonana fandraisany fahefana tetsy amin’ny Carlton Anosy niaraka tamin’ireo biraony omaly. Iaraha-miasa amin’ny tranobe iraisam-pirenena izany, hoy izy. Efa takian’ny firenena sy ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny izany. Hisy ny fampiofanana ireo mpampiofana. Dia hisy ihany koa ny fiofanana ho an’ireo hiditra ao anatin’ny sehatra. Ezaka atao koa ny fanavaozana ny rafitra momba ny vadintany sy mpanao lavanty ankehitriny satria tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro intsony. Miisa 146 ankehitriny ireo vadintany sy mpanao lavanty misahana ny vahoaka 27 tapitrisa eto Madagasikara. Ezaka angatahana fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana noho izany ny fanampiana ny isan’izy mba hisiany manerana ireo tribonaly misy eto Madagasikara. 30 isa ireo vadintany vaovao noraisina tamin’ny taon-dasa saingy iaraha-mahita vao tena mbola tsy ampy betsaka izany, hoy hatrany ny fanazavany omaly.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Miitatra ny savorovoro eo anivon’ny Kaominina Antananarivo eo anatrehan’ny raharaha fampidiram-bola sy fitantanam-bola.

Card image cap
16-avril-2024

Betsaka ny olana navelan’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra teo aloha,

Card image cap
16-avril-2024

Ny vinavinan’ny fitomboan’ny mponina eto Madagasikara niainga tamin’ny RGPH-3 (Récencemant Général de la Population et de l’Habitation)

Card image cap
16-avril-2024

Mba hanatsarana ny fitantanana ny harena voajanahary, napetraka ny rafitra fifanakalozam-baovao

Card image cap
16-avril-2024

Tsy nitsahatra nanentana eo amin’ireo mpandraharaha hisitraka ny

Card image cap
16-avril-2024

Mafy ny manjo ireo fianakaviana manodidina ny 20 isa monina amina trano miisa 5 mipetraka

Card image cap