airtel

Actualités

12-oct-2022

Actualités

Valan-javaboahary Tsimbazaza Tsy misy marary ireo mpiasa nanaovana fitiliana

Sample post image

Tsy nijanona tamin’ireo biby fantatra fa voan’ny raboka ny valan-javaboahary ao Tsimbazaza fa nitily ireo mpiasa mifanerasera amin’ireo biby ireo ihany koa .

12-oct-2022

Ho an’ireo biby manokana dia fantatra fa ny 56 isa notiliana dia ny 12 isa no mitondra ny aretina ka isan'ireny ireo 8 namoy ny ainy . Natokana avy hatrany izy ireo miampy ireo biby hafa izay nifanerasera taminy . Tsy nisy voakasiky ny tsimok'aretika kosa anefa ireo mpiasa ao amin'ny valanjaboary, raha araka ny fitiliana natao hatrany. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny fepetra horaisina ho fiarovana ny biby hafa rehetra sy ny fahasalaman' ireo mpiasan'ny valanjavaboary ary ireo mpitsidika izay iarahana amin'ny Fandaharanasam-pirenena miady amin'ny raboka. Hatreto mantsy dia mbola marobe hatrany ireo mpifakantia, fianakaviana… tonga mitsidika ity valan-javaboahary ity isaky ny faran’ny herinandro raha tsy ferana ihany koa ireo tonga amin’ny andavanandro. Marihina moa fa efa misy ny sampan-draharaha samihafa isan'ambaratongany sy ny Komity najoro izay ahitana ny avy ao amin'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny "Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza", ny Fitaleavan'ny Sampandraharahan'ny Dokotera Mpitsabo Biby (Vétérinaire) ary ny avy ao amin'ny Fandaharanasam-pirenena miady amin'ny Raboka. Tsiahivina moa fa ny aretina raboka dia mitovy amin ' ny aretina mifindra rehetra ka mihanaka ary mety hahafaty rehefa tsy voatsabo.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ireo komity
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap