airtel

Actualités

13-déc-2021

Actualités

Vehivavy TIM Analamanga Nankalaza manokana ny tsingerin-taonan’i Dada

Sample post image

Nihaona sy nankalaza ny tsingerin-taona nahaterahan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ireo vehivavy TIM eto Analamanga ny sabotsy.

13-déc-2021

Tsy afaka niaraka taminy noho I Marc Ravalomanana tany Toliara izy ireo, ka dia nanamarika izany nialohan’ny fotoana tetsy amin’ny Foiben-toeran’ny Antoko TIM tetsy Bel’air. “Miarahaba anao, ary mirary soa ho anao ho lava andro iainana, ary mbola miandrandra anao ny vahoaka Malagasy hitondra vahaolana sy hanavotra ny firenena indray”, hoy Rtoa Rahelisoa Arphine, Filohan’ny vehivavy TIM nisolo ten any rehetra. Mitohy hatrany, hoy izy, ny fanetsehana ny vehivavy Tiako I Madagasikara mba hiray hina, ary ilaina foana izany mba tsy hatoritory. Manentana ny rehetra hatrany amin’ny faritra hanao tahaka ny eto Analamanga satria izao isika dia efa manomboka, hoy izy nanentana. Nomarihin’ity mpitarika ny vehivavy TIM ity rahateo, fa isan’ny herin’ny antoko ny vehivavy, ka tsy tokony hatoritory. Efa manentana ny any amin’ny Faritra ihany koa ny vehivavy TIM, fa tsy hijanona ho an’ny eto Analamanga ihany. Hatramin’ny any an-dafy aza miray hina sy efa mihetsiketsika, toy ny vehivavy TIM France, izay manampy sy manohana amin’ny hetsika toy izao, hoy Rahelisoa Arphine. Nisy moa ny fiaraha-misakafo sy fifampizarana mofo mamy nentin’izy ireo naneho fa mifampizara ny mamy ny Filohan’ny Antoko TIM sy ny vehivavy TIM. Naneho ny hafaliany tamin’ny alalan’ny antso an-taroby kosa Atoa Marc Ravalomanana. Nisolo ten any Birao politikan’ny TIM moa Atoa Julien Andriamorasata sy ny Maitre Eloi Ratefimahefamijoro, izay nidera manokana ny fahavitrihan’ny vehivavy TIM, niantso firaisan-kiana hatrany.

Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap