airtel

Actualités

20-janv-2026

Very an-jatony miliara

ny Jirama 3 taona

Sample post image

Hangotraka ny fanenjehana, omena

20-janv-2026

herinandro ireo mpanao halatra sy hosoka
Nirotsaka ny toromarika hentitra avy amin’ny Tale Jeneraly mpisolo toerana ao amin’ny JIRAMA, Jeneraly Rasolomanana Hajatiana omaly, raha niazo ny ivon’ny fitsinjarana, toerana stratejika ho an’ny JIRAMA etsy Sonierana. Nampalahalala ny "Opération de ratissage", izay nilazana fa hatao tsy ho ela ny hetsika manokana hiadiana amin’ny hosoka sy ny halatra amin’ny herinaratra. « Tsy misy fandeferana. Omena herinandro fotsiny ireo tokantrano sy mpiasa niray tsikombakomba amin’ny fampidirana jiro tsy ara-dalàna mba hanala izany. Raha tsy manaraka, dia hirotsaka ny fanaraha-maso sy ny fisafoana ary hampiharina tsy misy famindram-po ny lalàna. », raha ny nambarany. Ny tokantrano sy mpiasa voarohirohy dia tsy maintsy manala an-tsitrapo ny fampidirana tsy ara-dalàna. Raha tsy izany, dia hirotsaka ny fanaraha-maso hentitra. Izay tratra dia ho saziana araka ny lalàna mifehy ny halatra sy hosoka. Antontan’isa mampihoron-koditra moa no navoakany satria tao anatin’ny telo taona farany, 10%-n’ireo mpanjifa no tratra nanao hosoka. Vokatry ny asa ratsy: an-jatony lavitrisa Ariary very isan-taona. Tsy vitan’ny manimba ny vola, fa manimba ny tambazotra sy ny kalitaon’ny famatsiana herinaratra ho an’ny vahoaka. Politika mazava sy masiaka: Pandeferana aotra. Tsy misy fanavakavahana, tsy misy mizaha tavan’olona. Miantso fiaraha-mientana avy amin’ny mpiasa sy ny vahoaka hiaro ny hasin’ny tolotra sy ny filaminana ny mpitantana . Tanjona tsy azo ihodivirana ny hanao ho laharam-pahamehana ny fitsinjarana herinaratra sy rano ho tombontsoan’ny vahoaka manontolo. Lalàna, mangarahara, ary fandraisana andraikitra iombonana no fototra. Tsy misy fialan-tsiny. Tsy misy fandeferana. andrasana indray izany ny vokatra eeee!
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Iaraha-mahita amin’izao fotoana izao

Card image cap
05-mars-2026

Nanao ranty fampahafantarana

Card image cap
05-mars-2026

mbola afaka mianatra

Card image cap
05-mars-2026

Nanolotra 68 miliara Ar ho an’i Toamasina ny Fanjakana Japoney

Card image cap