airtel

Actualités

07-janv-2021

Actualités

Vidin-tsolika Mila fitandremana ato anatin'ny 3 volana

Sample post image

Tsy nihetsika ny vidin-tsolika teto Madagasikara nandritra iny taona 2020 iny ary didy efa

07-janv-2021

 

 

nihatra tamin`ny volana jona 2019 no nampiharina. Tsiahivina fa nisy ny fiakaran`ny vidin-tsolika teo amin`ny tsena iraisam-pirenena teo amin`ny faraparan`ny taona 2019 fa tsy nihetsika kosa ny teto Madagasikara noho ny fitsinjovana ny mpanjifa. Izany dia miteraka ny atao hoe “passif” izay nahatratra 170 miliara ariary tamin`ny volana desambra 2019. Na dia nisy aza ny fidinan` ny vidin-tsolika teo amin`ny tsena iraisam-pirenena tamin`ny volana martsa 2020 noho ny fisian`ny valanretina COVID-19 dia tsy mbola nihetsika ny vidiny teto Madagasikara noho ny fisian`izay “passif” izay. “Ao anatin` ity volana janoary sy ny febroary dia tsy hihetsika vidin-tsolika eto Madagasikara. Ny tahirin-tsolika nafarana tamin`nyt volana novambra sy desambra no ampiasaina izao. Mila fitandremana, araka izany, ny telo volana fahatelo” raha ny fanamarinana izay nataon`ny tale jeneralin`ny Ofisy Malagasy mitantana ny vookatra ara-tsolika (OMH), Olivier Jean-Baptiste. Tsara no manamarika fa mari-drefy iray mamaritra ny vidin-tsolika koa ny sandan`ny fifanakalozana ara-bola ary marihana fa nihen-danja ny ariary raha oharina amin`ny dolara. Mahasika ny fanjifàna solika kosa dia nihena 18% izany ny taona 2020 raha oharina tamin`ny taona 2019. Raha tsy misy indray ny krizy ara-pahasalamana vaovao dia heverina fa tokony hiverina amin`ny fampiasàna solika tamin` ny 2019 ity taona 2021 ity.

Marigny A.

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap