airtel

Actualités

14-nov-2025

VMM, Sendikan’ny mpiasan’ny CUA

Izay naka ny 11 miliara Ar asaina mamerina!

Sample post image

Lavinay tanteraka ny filazan’ny

14-nov-2025

mpiasan’ny kaominina iray nandritra ny adihevitra tamina haino aman-jery ny alahady teo mikasika ny SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale), fa mitondra ny feon’ny mpiasa izy. Lavinay marin-drano izany, hevitry ny sendika tarihiny no nolazainy, fa tsy hevitry ny Mpiasan’ny kaominina, hoy ny VMM (Vondron’ny Mpiasa Mangina) izay nilaza fa nisafidy hiteny satria efa mampiteny ny moana ny zavatra amin’izao. Milaza ny VMM tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny Rafanomezantsoa Maminirina na Mamy Rafahadiovana, ny talata teo fa izao vao tena mahalala ny mpiasan’ny kaominina fa 85% amin’ny vola miditra dia tsy an’ny kaomina. « Marina sy voaporofo izany taorian’ny fitenenan’ny tompom-bola izay nindramina tamin’ny anaran’ny Kaominina fa mbola misy 7 miliara Ar mbola tsy voaloa raha nolazaina taminay mpiasan’ny Kaominina eto Antananarivo fa voaloa daholo ny volan’ny CNaPS », hoy hatrany ity sendika ity. Tsy marina ihany koa ny filazana fa ny ben’ny tanàna no mpampiasa ny mpiasa, ka tsy izay fa na ny ben’ny tanàna na ny mpiasa dia samy mpiasam-bahoaka. « Izay nindrana ny volan’ny kaominina no asaivo mamerina azy fa tsy izahay mpiasan’ny kaominina no handany rondoha sy ny herimponay hamerina an’izany ! Avereno ! Avereno ! Avereno amin’ny kaominina ny zavatra tokony ho an’ny kaominina, ary ny zavatra rehetra an’ny kaominina dia tokony ho ny mpiasa no hitaky azy », hoy izy ireo manoloana ny raharaha SMGD sy CNaPS. Nanizingizina fa tsy tokony haterina atsy na aroa ny volan’ny kaominina fa ao amin’ny « trésorerie municipale » Tsimbazaza, ka mila jerena averina tanteraka amin’izay aloha. Tompon’andraikitra tao amin’ilay orinasan’ny Kaominina no niteny fa rehefa nalain’ny Kaominina ny volan’ny tsena dia tsy voaloa ny volan’ny CNaPS, ka nitsangam-bolo ny mpiasan’ny CUA satria « parking » no nifanarahana ka inona no hidiran’ny volan’ny tsena ? Amin’ny bloc sanitaire ? Boriboriana amin’ny hoe voaloa foana ny karama, ka aza terena izahay hiantso ny patron-tsika, dia ny vahoaka mandoa hetra. Mbola ho zavatra hafa noho izao no miseho ka aza terena ho tonga amin’izany, hoy hatrany ity VMM ity. Nisaotra ny Minisitry ny fitsarana kosa izy ireo amin’ny fahatanterahan’ny antso nambarany fa nataon’izy ireo hatry ny ela, izay tsy nolazain’izy ireo mivantana. Heverina fa ny fanadihadiana mikasika ny raharaha SMGD sy ny findramam-bola 11 miliara, izay mahasaringotra ny ben’ny tanàna teo aloha Naina Andriantsitohaina io. "Tsy nangalatra aho. Vonona aho hanazava sy hanome ny antontan-taratasy rehetra, na tamin’ny naha minisitra ahy, na tamin’ny naha ben’ny tanàna ahy", hoy moa i Naina Andriantsitohaina, fony namindra fahefana tamin’ny maha minisitra sy nilaza hitsahatra amin’ny politika. Izay izay isan’ny namoahana IST na "Interdiction de sortie du territoire".

OLONA MAHALALA NY TANANA RAHA HO TONGA AMIN’NY PDS
Momba ny resaka fanoloana ny ben’ny tanàna ho PDS na tsia, misy sampan-draharaham-panjakana tompon’andraikitra amin’ny resaka fanesorana, fa samy mahafantatra ny andraikiny, fa tsy anjaranay, hoy izy ireo. Raha ny hevitr’izy ireo kosa, raha hisy PDS dia olona efa mahalala ny kaominina, efa mahafantatra, manana traikefa,… betsaka no tonga eo, milaza fa mangalatra ny mpiasan’ny kaominina. Efa niala ny mpiasan’ny kaominina dia izao ny zavatra miseho, ka rehefa ny mpiasa no manao fahadisoana kely, dia mangalatra fa izao zava-misy izao inona ? hoy hatrany ny VMM.
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap