airtel

Actualités

28-janv-2022

Actualités

Vokatry ny delestazy Milona ny asa eny anivon’ireo biraom-panjakana

Sample post image

Tsy misy izay tsy mitaraina ny amin’ny voka-dratsy ateraky ny delestazy ny sarababem-bahoaka. Ho an’ireo sampandraharaham-panjakana toy ny kaominina ohatra raha araka ny fanadihadiana natao dia ny famitana ireo

28-janv-2022

 kopia mari-pahaterahana…. no tena manahirana fatratra azy ireny. Raha aterina maraina amin’ny 10 ora ary alaina amin’ny 03 ora folakandro ohatra ny bulletin de naissance iray ho an’ny mpianatra iray hiatrika fanadinam-panjakana teo aloha ho an’ny kaominina Andoharanofotsy dia lasa telo andro izany vao vita. Raha aterina Alatsinainy dia Alarobia vao alaina vokatry ny fahatapahan-jiro matetika. Efa miezaka ny mampiasa milina fanoratana na machine a ecrire ihany ireo kaominina sasany noho izany saingy mbola tena tsy maharaka. Raha araka ny fanadihadiana natao moa dia lasa mivangongo vokatr’izany ny asa ka mahatratra 100 isan’andro indraindray ny bulletin de naissance raisin’izy ireny. Ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana no tena mila maika izany, antony mahasorena ireo Ray aman-dReny…. ka mampimenomenona azy ireo amin’ny mpiasan’ny kaominina.
Pati
Legende : Lasa sorena amin’ireo mpiasan’ny kaominina ireo mpikarakara taratasy noho ny fahaelan’ny fotoana hahavitan’izany. (sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap
27-mars-2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

Card image cap
27-mars-2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Card image cap
26-mars-2024

Nahatratra 35 isa ny fitarainana azon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona

Card image cap
26-mars-2024

Misy andro ratsy miforona any Atsinanan’ny Faritra SAVA any amin’ny ranomasimbe Indiana.

Card image cap