airtel

Actualités

07-janv-2021

Actualités

Volamena tratra tany Afrika atsimo Tsy maintsy miverina eto Madagasikara

Sample post image

Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay

07-janv-2021

 

 

volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Ary hiroso tsy ho ela ny fitsarana ity raharaha ity eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao. Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo. Marihana fa niato nanomboka ny volana oktobra 2020 ny fanodranana volamena sy vatosoa. Mipetraka, araka izany, ireo fanontaniana: hisy sazy manokana ve ho an` ny ladoany sy ny Aviation Civil de Madagascar? Na dia hisy ary ny fiaraha miasa amin` I Afrika Atsimo, mety ho tafaverina an-tanindrazana ve ireo harem-pirenena ireo? Tsy vao izao no nisy volamena na harena tratra tany ivelan` ny nosy toy ilay bolongam-bolemana 63kg naondrana tany Seychelles, izay tsy niverina intsony, tamin` ny andron` ny tetezamita. Andrasana aloha izay tohin` ny raharaha.

Marigny A.

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap