airtel

Actualités

13-janv-2021

Actualités

Volamena tratra tatsy Afrika Atsimo Niditra an-tsehatra ny Amerikainna

Sample post image

Nolavin’ny Fitsarana Afrikanina Tatsimo ny fampodiana ireo 3 lahy hotsaraina aty Madagasikara,

13-janv-2021

 

 

 

 ary hotsaraina amin’ny lalàna manan-kery any an-toerana. Raha toa ka misy tsy ampy sy tsy tomombana ny fanadihadiana lalina, dia afaka mihazo an’I Madagasikara ny mpanao famotorona Afrikanina Tatsimo sy ny sy ny Interpol na ny polisy iraisam-pirenena, araka ny vaovao notaterin’ny BBC Africa. Ankoatra io, miely ny vaovao milaza fa nihazo an’i Johannesburg i Cyril Sartor izay Tale mpanampy teo aloha teo anivon’ny Sampam-pitsikilovana Amerikanina CIA (Central Intelligence Agency), izay voalaza fa nalefan’ny governemanta Amerikanina hanampy ny mpanao famotoran’ny Interpol mikasika io trafikana volamena 73,5kg io. Tonga ny fetra eo anatrehan’ny toetra mamohehitry ny mpitantana sasany sy ireo heloka ara-toekarena izay mampahantra ny vahoaka maro an’isa sy manakorontana ny toekarena maneran-tany, raha ny voalazan’io Cyril Sartor.

AHIANA NY SAZY IRAISAM-PIRENENA

Mazava ho azy, fa efa tafiditra ao anatin’ny raharaha ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena vao misy resaka hoe Etazonia sy ny Interpol izany. Hiteraka tsy fahatokisana an’i Madagasikara io, tsy hisy hanome famatsiam-bola ao anatin’ny firenena ratsy tantanana sy malaza ratsy, ary heverina fa hisy fiantraikany goavana amin’ny tontolo politika. Mety tsy hijanona amin’ny volamena 73,5 kg, fa ho tonga any amin’ny fanadihadiana ny filazan’ny UNCom Trade (United Nations International Trade Statistics Database), ivo-toerana mpanangona antontanisa eo anivon'ny firenena mikambana, izay nilaza fa nahatratra 200taonina ny volamena avy aty Madagasikara niondrana tany Emirats Arabes Unis ny taona 2008-2016, izay 31.42 taonina ny taona 2009 ary tany amin’ny 2017 dia 9.27 taonina.

 Toky R

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap