airtel

Actualités

29-avril-2022

Actualités

Vondrona Eoropeanina Frantsay no ho ambasadaorony vaovao

Sample post image

Handao tsy ho ela an’i Madagasikara ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina dia ilay teratany Italianina SEM Giovanni Di Girolamo, raha ny voalazan’ny fampahalalam-baovao vahiny iray omaly.

29-avril-2022

Tsara ny manamarika fa efa hatry ny taona 2018 ity diplaomaty ity no niasa teto Madagasikara, izay nisolo an’i Antonio Benedito Sanchez. Diplaomaty Frantsay indray no ho Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara dia i Isabelle Delattre. Efa niasa 15 taona teo anivon’ny Vondrona Eoropeanina izy io, ka eo anivon’ny DEVCO (Directorate-General for International Cooperation and Development), ka misahana ny Afrika Aostraly sy ny Ranomasina Indianina izy ao anatin’izany. Fanendrena azy voalohany amin’ny maha ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina io, taorian’ny nisahanany ny toerana mpanolontsaian voalohany momba ny fampandrosoana tamin’ny fisoloana tena ny Vondrona Eoropeanina tany amin’ny Firenena Mikambana any New York. Amin’ny lohantaona no higadona eto Madagasikara ity diplaomaty vaovao ity. Tsy tongatonga ho azy ny fanendrena teratany Frantsay eo amin’io toerana io. Mifanandrify indrindra amin’ny hiatrehan’i Madagasikara vanim-potoana mafampana amin’ny resaka fifidianana. Isan’ny manana anjara toerana lehibe amin’ny tontolon’ny jeopolitika eto Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina. Talohan’i Giovanni Di Girolamo izay teratany Espaniola dia i Antonio Benedito (2014-2018) Sanchez, ary nialohan’izay dia ilay teratany Grika Leonidas Tezapsidis (2010-2014).


Toky R

 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap