ny kaonfederasionin’ireo mpiasam-panjakana Malagasy na CESAEM, ny CTM sy ny hafa rehetra dia nampahafantatra tetsy amin’ny Railovy Analakely omaly fa mivondrona hikarakara hetsika ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenen’ny asa na 1 may 2022. Asain’izy ireo amin’izany rehefa mety ho mpiasa Malagasy na miasa tena io na amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Asaina ihany koa, hoy izy ireo, ireo very asa. Rehefa mety ho mahatsiaro ho mpiasa sy mila asa. Hiainga eo Ambohijatovo hihazo ny kianja mitafon’I Mahamasina ny hetsika. “Mpiasa Malagasy mitaky famoronana asa, fidiram-bola mifanaraka amin’ny vidim-piainana, tany tan-dalana sy lavitry ny kolikoly ary mandry fahalemana.” no lohahevitra amin’ity taona ity. Tamin’ny fotoana farany nihaonan’ny SSM tamin’ny mpanao gazety dia vao lany teny amin’ny antenimieram-pirenena ny volavolan-dalana mifehy ny tetibola 2022. Nangataka izahay nialoha izany ny fampiakarana na fanitsiana ny karama hiampy 30% mba hifanaraka amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana. Nisy taratasy ofisialy nalefa tany amin’ny filoham-pirenena, praiminisitra, filohan’ny antenimieram-pirenena sy filohan’ny antenimieran-doholona, ny minisitry ny fitantanam-bola, ny minisitry ny asam-panjakana. Tsy mbola nahazo valiny ofisialy izahay taorian’izay. Rehefa nandeha kely indray ny ady any Okrainina dia namerina izahay hoe tokony ho jerena io fampiakarana karama io na ho an’ny sehatra tsy miankina na miankina amin’ny fanjakana satria efa ho 2 volana latsaka kely no nametrahanay hoe tokony hisy fifampidinihana eo amin’ny fanjakana sy mpahaitoekarena, mpitantana orinasa, sendika ijerena vahaolana. Niteny moa izy izao saingy mbola manjavozavo hoe firy isan-jato ilay fiakarana heritreretin’ny fanjakana fa kely indrindra aloha raha io 30% io. Mari-drefin’ny vidin-javatra eny an-tsena izay tsy latsaky ny 50% ny fiakarany no nanaovanay an’io fampiakarana na fanitsiana karama 30% fara faha keliny io. Tsy iadianay hevitra ny fetra farany ambonin’ny vidin’entana napetraky ny fanjakana teo, hoy hatrany ireto vondron’ny mpiasa ireto, fa mbola kely raha 30% no fiakaran-karama amin’izao.
J. Mirija
Legende: Tetsy Analakely omaly
Tsy hita intsony izay marina sy diso mikasika ilay raharaha fahaverezan-tsolika 64 000 litatra teo anivon’ny Jirama. Andaniny,
Mandrava sy maka ny tanin’ny vahoaka madinika ao Nosy be Hell ville ny karana sy vahiny ary mpanam-bola,
Efa tany amin’ny 6 taona lasa no nametrahana io “coffre” io, tany amin’ny taona 2016 tany ho any no efa very ireo volamena 36,433 kg ary tsy fantatra mazava hoe:
Nahatrarana trafikana volamena indray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly 28 jona 2022 hariva. Teratany Sri lankais iray,