Mandela Washington Felllowship 2024, izay miditra amin’ny andiany faha-10 amin’izao fotoana izao. Fandaharanasan’ny governemanta amerikana ny YALI, manohana ireo tanora afrikana mpitarika amin’ny alalan’ny fianarana akademika, fiofanana momba ny fahaiza-mitarika, fianarana amin’ny alalan’ny fiahiana na « mentoring », fampivelarana ny tambazotrana mpitarika, fivoarana amin’ny tontolon’ny asa, ary fandraisana anjara amin’ny fiainam-piarahamonina. Miavaka indrindra amin’ireo ezaka hanohanana ireo tanora mpitarika ho avin’i Afrika hampandrosoana ny toekarena sy ny fiharina ity fandaharan’asa ity, hanamafisana ny fitantanana demokratika, ary hanatsarana ny filaminana sy fandriam-pahalemana manerana ny kontinanta afrikana. Miisa 700 ireo mpisitraka ny vatsim-piofanana YALI Mandela Washington Fellowship rehetra amin’ity taona ity, ary hiparitaka amin’ny toeram-pampianarana ambony miisa 28 any Etazonia izy ireo. Nihoatra ny 50 000 ny isan’ireo nangataka hisitraka io vatsim-piofanana io nanerana an’i Afrika. Ireto ny lisitr’ireo Malagasy mpitarika izay hisitraka ny YALI Mandela Washington Fellowship ho an’ity taona 2024 ity: Andriantenaina Omena du Saint Rosaire Ranarivelonirina; Bridgewater State University ; Faniry Ainanomena Ramtariharisoa; University of Georgia ; Iry Raïssa Alaoy; Purdue University ; Dieu Donné Razaramaro; University of Maryland, Baltimore County ; Hasina Andriatsitohaina, Clark Atlanta University ; Mialinirina Rakotomanana; University of Minnesota, Twin Cities ; Herizo Stephan Rafidimanantsoa; Texas Tech University ; Koloina Anjatiana Ramaromandray; University of Iowa ; Lova Maël Rabemananjara; Michigan State University ; Antsa Raoelijaona; Texas Tech University ; Zina Harentsoa Raminosona Andriantomanga; University of Nevada-Reno. Aorian’ny Leadership Institutes izay hatao any Etazonia dia handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony izay hatao ao Washington, D.C. ireto mpisitraka ny vatsim-piofanana YALI Mandela Washington Fellowship ireto ka hifampidinika miaraka sy hihaona amin’ireo amerikana mpitarika amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina ary mpitarika fikambanana samihafa,…
Toky R
Tontosa omaly alakamisy 16 janoary 2025 teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fametrahana sy fianianana
Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fisian-drano eto amintsika. Antony hitadiavan’ireo mpanao
Hisy fivarotana amin'ny alalan'ny lavanty kojakoja elektrika avy amin'ny Jirama,
Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany hatramin’ny omaly hariva fotoana
Fahotana faratampony amin’Andriamanitra no sady miteraka ozona mahatsiravina ny Ray manam-bady ny zanany
Tovolahy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa hita faty tao anaty tano tao Ampitarihana,