airtel

Actualités

07-juil-2021

Actualités

Zandarimariam-pirenena Voasambotra ireo saika hamono ny SEG

Sample post image

Lehilahy 6 saika hamono ny Sekreteram-panjakana¬ miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG), ny Jeneraly Ravalomanana Richard no voasambotry ny Vondrotobi-pileovan'-ny Zandarmariam-pirenena Analamanga

07-juil-2021

 sy ny Sampana misahana ny Fikarohan heloka be vava eo anivon'ny zandarmariam-pirenena talohan'ny fetim-pirenena, hoy ny pejim-baovao mirona amin’ny fanohanana ny Fitondrana Rajoelina omaly. Voalaza fa Mpiambina ny Filoha teo aloha ny 2 tamin’ireo niampy lehilahy 4 hafa. Raha ny loharanom-baovao marim-pototra dia mpiambina akaiky ny Filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina ny 2 tamin'ireo olon-dratsy, hoy ny vaovao naparitaka. “Efa nahazo loharanom-baovao mialoha izy ireo. Efa niaraka tamin’ny basy voafahana, saingy saron’ny sakelika misahana ny fikarohana momba ny heloka bevava. Teny Androndrakely izy ireo no sarona niaraka tamina basy roa efa voafahana sy bala maromaro. Nogiazana ny fananany hatramin’ny kaonty any amin’ny banky mba hamantarana hoe misy olona mamatsy ara-bola azy ve?”, hoy ny mpitandro filaminana. Misy ny loharanom-baovao hafa milaza fa tompona orinasam- piambenana (societé de securité) no atidoha, ankoatra ireo ambara fa mpiambina ny Filoha teo aloha.

INONA NO TOMBOTSOA HAMONO NY SEG ?
Mampametra-panontaniana ity vaovao iray ity hoe: tena mitombina sa toe-javatra hoenti-mitarika ny sain’ny olom-pirenena hifantoka any amin’ny zavatra hafa eo anatrehan’ny toe-javatra mafana maneho ny tsy fahafehezana firenena miseho eto? Inona no mety ho tombotsoa ara-politika amin’ny fahafatesan’ny Jeneraly Ravalomanana raha tena mitombina io? Na izany aza, tsy azo hamaivanina ny tranga sy toe-javatra tahaka izao, ary misy lanjany goavana amin’ny lafiny politika. Mamofompofona ny fanovana governemanta, ary mety ho tafiditra ao anaty kajikajy ara-tserasera. Eo ihany koa ny mety ho fitarihana ny sain’ny olona any amina lafin-javatra hafa tsy hitodika any amin’ny fifanolanan’ny depiote sy ny minisitra sasany, ny ady hevitra momba ny kere any Atsimo, ny kiana avy amin’ny rafitra iraisam-pirenena,… Andrasana izay ho fivoaran’ity raharaha ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap
27-mars-2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

Card image cap
27-mars-2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Card image cap
26-mars-2024

Nahatratra 35 isa ny fitarainana azon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona

Card image cap
26-mars-2024

Misy andro ratsy miforona any Atsinanan’ny Faritra SAVA any amin’ny ranomasimbe Indiana.

Card image cap