airtel

Actualités

13-sept-2021

Actualités

Zava-doza tany Ambositra Novonoina avy eo naolana ilay zazavavy kely

Sample post image

Zazavavy kely iray vao 7 taona monja antsoina hoe : Fanambinantsoa Christina no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana dia naolana avy eo tany Amoron'Isaha Ambany Atsinanana,

13-sept-2021

 distrikan’Ambositra ny faran’ny herinandro teo.Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nofatorana ny tongotra aman-tanan’ity zaza tsy manan-tsiny ity. Notampenana ihany koa ny vavany, ary nofaranan’ilay tsy mataho-tody tamin’ny fanolanana izany, antony namoizany ny ainy tanteraka. Raha araka ny fantatra moa dia zanak’olona tena sahirana Ratompokovavy kely. Noraisin’ny talen’ny kabinetran’ny governora sy ny Ben’ny tanàna any an-toerana an-tanana araka izany ny fikarakarana ny razana sy ny fanaterana izany tany amin’ny fianakaviany. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia nandeha irery ity zazavavy kely ity, antony nanamora ny asan’ireo mpanao ratsy. Andrasana izay mety ho vokatry ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana mikasika izany.
Pati

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap