airtel

Actualités

15-avril-2022

Actualités

Zava-doza tany Toamasina Nongotana ny sofina sy maso ary ny maha lehilahy ilay zaza

Sample post image

Zazalahy kely iray vao 9 taona monja no fantatra fa nanjavona rehefa nilalao teo an-tokontany tany Toamasina.

15-avril-2022

03 andro taorian’izay vao hita izy saingy efa ny vatana mangatsiakany ihany koa sisa no hita tao amin'ny nosy Îles aux prunes, miala 17 km avy amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina. Fantatra tamin'ny fizahana natao tamin’ny razana fa novonoina tamin'ny fomba feno habibina ity zazalahy kely ity. Nahitana dian'antsy mantsy ny vatany iray manontolo. Nesorina ihany koa ny sofiny havanana. Tsy hita ihany koa ny masony sy ny lelany ary mahalehilahy azy. Ny olatra teo amin'ny tongony sy ny "bracelet" tamin'ny tanana sisa no nahafantarana azy. Tsy mbola manana olona ahiahiana aloha hatreto ny fianakaviany. Na izany aza efa manomboka fanadihadiana kosa ireo mpitandro ny filaminana. Tsiahivina moa fa nalaza ratsy ho misy olona mpangalatra taova ao Toamasina tato ho ato, antony mampatahotra ireo vahiny hivahiny any an-toerana.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy kely
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap