eny amin’ny fiarahamonina rehetra eny, raha i Madagasikara no resaka. Ny olon-dehibe moa dia ireny hiaraha-mahita eny Faravohitra, Itaosy, 67ha ireny fa nidina nandoro kodiarana teny an-dalambe. Ny tany amin’ireo faritra hafa ivelan’Antananarivo renivohitra aza dia ireny nahitana nandrora nitsilany ireny mihitsy satria nandoro ny foiben’ny orinasam-panjakana Jiro sy rano malagasy na JIRAMA tany an-toerana manoloana ity olan’ny herinaratra sy ny rano efa tafahoatra eto Madagasikara ity. Etsy ankilany anefa, ary heverina hoe zava-doza mihitsy, dia toy ny lasa voataiza hankafy tsy fanjariana ny zaza malagasy ao anatin’izany rehetra izany. Na eo aza izay fahatapahana herinaratra lavareny izay dia mbola mahavita miara-mioraka ihany rehefa miverina ilay hazavana. Asa hoe hanao ahoana izany ny mety hoavy ao aoriana ao, raha sanatria miha manahirana lavitra noho izao ny zava-misy eto amin’ity firenena ity? Raha mimenomenona manoloana ny tsy fanjariana amin’ny lafi-piainana maro na dia mahatsiaro tena ho tsy afa-manoatra aza, ohatra, ireo olompirenena mpanara-baovao any anaty tambazotran-tserasera samihafa any rehefa mahita fa tsy mandeha ny lafiny ara-tsosialy, ohatra, fa midangana ny vidim-piainana, mitotongana ny toekarena ary na ny Ariary aza tsy tafarina intsony fa tena lasa ambany sanda tanteraka, tsy mety latsaky ny 5000 Ariary intsony ny 1 Euro, dia ahoana izany no mety hiatrehan’ireo zaza malagasy ankehitriny ny mety mbola sanatria ho fahasahiranana lavitra noho izao ao aoriana ao? Na ny hitabataba sy himenomenona aza ve mety tsy ho vita intsony amin’izany fotoana izany fa dia hoe himenomenona nefa dia haninona? Enga anie mba ho diso ny heritreritra sy famakafakako, hoy ilay mpahaifiarahamonina iray izay!
J. Mirija
Samy velom-panontaniana ny mpanara-baovao tato anatin’ny herinandro izay manoloana ireo
Niparitaka nanomboka omaly ny didy fampikarohana an’i Bekasy Johnfrince. Karohin'ny polisin'ny
Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Hery na Iaban’i Sarah no namoy ny ainy tao amin'ny Kaominina Ranotsara
Miha tery hatrany ny fahafaha-mivelona na fivelomana eto Madagasikara, indrindra, taorian’ny fidiran’ny
Ny lafiny famoronana sy fanatontosana, ireo sisa tena olana amin’ny sarimihetsika malagasy,
Efa kely sisa dia maherin’ny herintaona no nisian’ny ranobe tsy mety ritra etsy Andravoahangy ambany.