airtel

Actualités

20-juil-2022

Actualités

Zava-mahadomelina miparitaka 19 taona dia efa miankin-doha amin’ny “heroine”

Sample post image

Zatovolahy iray 19 taona no fantatra fa tena niankin-doha tamin’ny zava-mahadomelina ary tratra teo am-pitsindromana izany mihitsy.

20-juil-2022

Mpianatra eny amin'ny sekoly ambony tsy miankina lehibe iray eto an-drenivohitra izy io ary fantatra fa indroa isan'andro izy no mitsindrona héroïne. Rehefa tsy mahita héroïne na tsy ampy "dose" ny vatany dia tatahany amin'ny "lame " ny tanany miazo iny sandriny iny hoy hatrany ny vaovao ary ka lasa feno holatra ny tanany roa. Nosamborin'ny Polisy izy noho ny fandraisany sy fivarotany izany zava-mahadomelina izany. Mbola tratra teny aminy ihany koa ny héroïne miisa 08 fonosana nandritra izany. Tratra ihany koa ilay tovovavy iray vao 18 taona monja mpamatsy zava-mahadomelina azy. Raha araka ny fantatra moa dia efa nigadra tany Antanimora noho ny fangalarana entana tamin'ny mpampiasa azy ity farany. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy mianadahy ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Ilay tovolahy mpitsindrona héroïne sy ilay tovovavy mpamatsy azy
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap